1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy

عن أنس بن مالك رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ نَسِيَ صَلَاةً فَلْيُصَلِّ إِذَا ذَكَرَهَا، لَا كَفَّارَةَ لَهَا إِلَّا ذَلِكَ: {وَأَقِمِ الصَّلاةَ لِذِكْرِي} [طه: 14]».

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay nanadino nanao soalat dia aoka izy hanao izany rehefa mahatsiaro azy. Tsy misy fanoloana izany afa-tsy izany fanefana azy: {Ary atsangano ny soalat ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14]."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 597

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay nanadino ny manao soalat tsy maintsy atao ka nivoaka ny ora fanaovana azy, dia tsy maintsy manafaingana sy mihazakazaka ho amin'ny fanefana izany izy raha vao mahatsiaro azy. Tsy misy famafana sy fanafenana ny fahotana amin’ny tsy fanaovana izany raha tsy hoe fanatanterahan'ny mpino ny vavaka amin’izany rehefa tsaroany. Hoy Allah ao amin’ny boky masina Kor'any hoe : {Ary atsangano ny vavaka ho fahatsiarovana Ahy} [Tàhà: 14], izany hoe : Manaova ny vavaka hadinonareo rehefa tsaroanareo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny maha zava-dehibe ny soalat sy ny tsy fanaovana tsirambina ny fanatanterahana azy sy ny fanefana izany.
  2. Tsy azo atao ny manao fanahiniana amin'ny fanemorana ny fanaovana ny soalat mihoatra ny fotoana voatondro, raha tsy misy fialan-tsiny azo ekena.
  3. Tsy maintsy atao ny mivavaka ho an’ny olona nanadino raha mahatsiaro ary ny matory rehefa mifoha.
  4. Tsy maintsy atao avy hatrany ny fanefana ny soalat, na dia amin’ny fotoana voarara aza.

Fanehona ny dikanteny

60 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية