1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِامْرَأَةٍ مِنَ الْأَنْصَارِ سَمَّاهَا ابْنُ عَبَّاسٍ فَنَسِيتُ اسْمَهَا: «مَا مَنَعَكِ أَنْ تَحُجِّي مَعَنَا؟» قَالَتْ: لَمْ يَكُنْ لَنَا إِلَّا نَاضِحَانِ فَحَجَّ أَبُو وَلَدِهَا وَابْنُهَا عَلَى نَاضِحٍ وَتَرَكَ لَنَا نَاضِحًا نَنْضِحُ عَلَيْهِ، قَالَ: «فَإِذَا جَاءَ رَمَضَانُ فَاعْتَمِرِي، فَإِنَّ عُمْرَةً فِيهِ تَعْدِلُ حَجَّةً».

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny manao hoe :
Niteny ny irak'Allah tamin'ny vehivavy iray avy amin'ny Ansôara izay nantsoin'i Ibn A’bbàs tamin'ny anarany, saingy adinoko ny anarany : "Inona no manakana anao tsy hanao Hajj miaraka aminay?" Namaly izy hoe : Tsy nanana afa-tsy rameva roa izahay, ka lasan'ny rain-janany sy ny zanany ny rameva iray hanavaon'izy roa Hajj ary namela rameva iray hikarakaranay ny volinay, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Oumra ianao, satria ny Oumra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 1256

Ny fanazavana

Rehefa niverina avy tamin'ny Hajj fanaovam-beloma ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny tamin'ny vehivavy Ansoary iray izay tsy nanao Hajj hoe : Inona no nanakana anao tsy nanao ny Hajj niaraka taminay?
Ka niala tsiny izy satria tsy nanana afa-tsy rameva roa izy ireo, ka ny vadiny sy ny zanany dia nanao Hajj tamin’iray tamin’izy roa, ary ny iray kosa nampiasaina tamin'ny fantsakana rano amin’ny vovo .
Dia nanazava taminy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fanaovana Oumra amin'ny volana Ramadany dia mitovy amin'ny valisoan'ny Hajj.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny valisoan'ny Oumra amin'ny volana Ramadany.
  2. Ny Oumra amin'ny Ramadany dia mitovy amin'ny Hajj eo amin'ny valisoa azo, fa kosa tsy manafoana ny adidy amin'ny Hajj izany.
  3. Ny valisoan'ny asa dia mitombo arakaraky ny fitomboan'ny voninahitry ny fotoana, anisan'izany ny asa atao amin'ny Ramadany.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية