1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ وَعَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنهما عَنِ النَّبِيِّ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«مَا يُصِيبُ الْمُسْلِمَ مِنْ نَصَبٍ وَلَا وَصَبٍ وَلَا هَمٍّ وَلَا حُزْنٍ وَلَا أَذًى وَلَا غَمٍّ حَتَّى الشَّوْكَةِ يُشَاكُهَا إِلَّا كَفَّرَ اللهُ بِهَا مِنْ خَطَايَاهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5641

Ny fanazavana

Manazava ny irak'i Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana momba ny fahasoavan’Allah amin’ireo mpino mpanompony sy ny famindram-pony amin’izy ireo amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan'ireo loza faran’izay kely manjo azy ireo.
  2. Ny mpino silamo dia tokony hanantena valisoa avy amin'Allah amin'izay mahazo azy, ary hanam-paharetana amin'ny zavatra kely sy lehibe rehetra, mba hahazoany fisondrotana eo amin'ny toerany sy ny famafana ny ota.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية