1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”

عن عبد الله بن عمرو بن العاص رضي الله عنهما عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«الْكَبَائِرُ: الْإِشْرَاكُ بِاللهِ، وَعُقُوقُ الْوَالِدَيْنِ، وَقَتْلُ النَّفْسِ، وَالْيَمِينُ الْغَمُوسُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi bin Amro bin 'Assi (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny fahotana lehibe dia ny : Fampiombonana an'Allah amin'ny zavatra hafa, ny tsy fanajana Ray aman-dreny, ny vonon’olona, ny fianianana amin'ny tsy marina.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari Sahìh Al-Bokhari - 6675

Ny fanazavana

Manazava ny fahotana lehibe ny Mpaminany (S.A.W) dia ireo izay misy fandrahonana mafy ho an'ny mpanao azy eto an-tany na any ankoatra.
Ny voalohany amin'izy ireo dia ny : Fampiombonana an'i Allah amin'ny hafa : izany dia ny fanaovana na inona na inona amin'ireo karazana fanompoana rehetra ho an'ny hafa ankoatra an’I Allah, sy ny fampitoviana an’I Allah amin’ny zavatra hafa manoloana ireo zavatra voatokana ho Azy irery ihany,amin’ny maha Tompo Mpahary Azy, amin'ny maha-Tompo tompoina Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
Ny faharoa : Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny : izany dia izay rehetra ratsy atao amin’ny ray aman-dreny, na fiteny na fihetsika, ary ny tsy fanaovana soa aminy.
Ny fahatelo dia “famonoana olona”: Tsy amin'ny rariny, toy ny famonoana tsy ara-drariny sy an-kerisetra.
Ny fahefatra dia ny “fianianana mandetika”: izany dia fianianana lainga ary fantany tsara fa mandainga izy, izany no niantsoana azy satria mandentika ny tompony ao amin’ny fahotana na any amin’ny Afobe.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fianianana lainga dia tsy misy fanavotana azy noho ny loza mitatao sy ny heloka bevava aminy, fa amin'ny fibebahana ihany.
  2. Ny filazana manokana momba ireo fahotana lehibe efatra ireo ao amin'ny hadith dia noho ny halebean'ny fahotany, fa tsy hoe izy ireo ihany no fahotana lehibe.
  3. Mizara ho lehibe sy kely ireo fahotana, ny fahotana lehibe dia izao : Ny ota rehetra izay misy sazy eto an-tany, toy ny famaizana sy ny ozona, na ny fandrahonana amin'ny fanasazina any ankoatra, toy ny fandrahonana hiditra ao amin’ny Afobe, ary ny fahotana lehibe dia ambaratonga, ny sasany dia mafy kokoa noho ny sasany eo amin'ny fandrarana ny fanaovana azy , ary ny fahotana madinika kosa dia ny ankoatr'ireo fahotana lehibe.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية