عن أبي هريرة رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«اجْتَنِبُوا السَّبْعَ الْمُوبِقَاتِ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ وَمَا هُنَّ؟ قَالَ: «الشِّرْكُ بِاللهِ، وَالسِّحْرُ، وَقَتْلُ النَّفْسِ الَّتِي حَرَّمَ اللهُ إِلَّا بِالْحَقِّ، وَأَكْلُ الرِّبَا، وَأَكْلُ مَالِ الْيَتِيمِ، وَالتَّوَلِّي يَوْمَ الزَّحْفِ، وَقَذْفُ الْمُحْصَنَاتِ الْمُؤْمِنَاتِ الْغَافِلَاتِ».

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe :
“ Ialao avokoa ireo fahotana fito izay maharendrika .” ka Niteny avokoa ireo Mpanara-diany Mpaminany ( S.A.W) manao hoe : Ry iraka mahafatokin'i Allah O ! ka mba inona avokoa moa ary izy ireo? dia namaly Izy ka Niteny hoe : “Ny fanakambanana ny fanompoana an’i Allah amin'ny zavatra hafa, ny filalaovana ireo Aody mahery, ny famonoan'Olona tsy amin'ny rariny izay noraran’i Tompo Allah afa-tsy amin’ny fahamarinana ihany, fihinana ny zana-bola, fihinana ny volan’ireo kamboty, ary fandosirana amin’ny Ady masina, fanendrikendrehana ireo vahoaka Mpino vavy madio ara-mpitondran-tena .”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 2766

Ny fanazavana

Nandidy ny vahoakany i Mpaminany (S.A.W) mba hanalavitra tanteraka ireo heloka sy ny fahotana fito izay voalaza fa maharendrika, ary rehefa nanontaniana momban'izany Izy amin'ilay teny hoe : Inona moa izany ? dia nohazavainy toy izao izany :
Voalohany dia : Ny fanakambanana an'i Allah amin'ny zavatra hafa, amin’ny alàlan’ny fampitoviana azy sy fampitovian-jo Aminy, na amin’ny endriny inona izany, ary amin’ny fitarihana ny fanompoam-pivavahana rehetra amin’ny zavatra hafa an-koatra an’i Tompo Allah, ary nanomboka tamin’ny fanompoan-tsampy ny vali_teniny, Satria io no tena fahotana lehibe indrindra.
Faha-roa dia : Ny filalaovana ody ratsy - io dia entina ilazana ny fatotra, ny Aody, ny famosavina ary ny fitsofana fanafody - izay misy fiantraikany amin'ny vatan'ilay Olona voan'ny famosaviana amin'ny alàlan'ny fahafatesana na aretina, na fisarahan'ny mpivady, izy io dia asan'ny satana, ary maro amin'izany dia tsy ho tanteraka raha tsy amin'ny alàlan'ny fanompoan-tsampy sy ny fanatonana ireo fanahy ratsy amin'ny zavatra izay tiany ho atao na tiany ho tanterahana.
Fahatelo : Famonoana ny olona izay noraran’i Tompo Allah fa tsy tokony ho vonoina afa-tsy amin’ny fanamarinana ara-dalàna izay apetrakin'ny Mpitsara.
Faha-efatra : Ny fandraisana ny zana-bola amin’ny alàlan'ny fihinanana na fampiasana azy mba ahazahoana ireo tombontsoa hafa.
Faha-dimy dia : Ny fisolokina ny harenan’ny Zaza izay maty ny Rainy fony izy mbola tsy ampy taona ka lasa antsoina Zaza kamboty ilay Zaza.
Faha-enina : Fandosirana ny ady manoloana ireo tsy mpino.
Faha-fito dia : Ny fiampangana tsy amin'ny rariny ireo vehivavy madio ho mpijangajanga, tahak'izany ihany koa ny fiampangana ireo lehilahy manoloana an'izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tena marina ihany koa fa ny fahotana lehibe rehetra dia tsy voafetra amin'ireo fito ireo ihany, fa ny fitononana ireo fahotana fito ireo dia noho ny avy amin'ny fahalehibiazany sy ny loza rehetra izay aterany.
  2. Azo atao ny famonoana ny olona raha toa ka ara-drariny ny famonoana izany, toy ny sazy sy famaizana, ny fivadiham-pinoana ary ny fijangajangana aorian'ny fanambadiana, ka ny Mpitondra ara-dalàna no mampihatra izany rehetra izany.

Fanehona ny dikanteny

69 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو