1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «يَقُولُ اللهُ عَزَّ وَجَلَّ: أَنَا عِنْدَ ظَنِّ عَبْدِي، وَأَنَا مَعَهُ حِينَ يَذْكُرُنِي، فَإِنْ ذَكَرَنِي فِي نَفْسِهِ ذَكَرْتُهُ فِي نَفْسِي، وَإِنْ ذَكَرَنِي فِي مَلَإٍ ذَكَرْتُهُ فِي مَلَإٍ خَيْرٍ مِنْهُ، وَإِنِ اقْتَرَبَ إِلَيَّ شِبْرًا، تَقَرَّبْتُ إِلَيْهِ ذِرَاعًا، وَإِنِ اقْتَرَبَ إِلَيَّ ذِرَاعًا، اقْتَرَبْتُ إِلَيْهِ بَاعًا، وَإِنْ أَتَانِي يَمْشِي أَتَيْتُهُ هَرْوَلَةً».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny :
Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2675

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nitatitra fa Allah ilay Tsitoha dia nilaza hoe :
Izaho dia miaina araka ny hevitry ny mpanompoko momba Ahy, ka dia mitondra ny mpanompoko araka ny finoany Ahy Aho, amin’ny fanantenana sy fanantenana famelan-keloka, ary ataoko aminy izay rehetra andrasana Amiko, na tsara izany na ankoatr'izay. Miaraka aminy amin'ny famindram-po, fahombiazana, fitarihana, fikarakarana ary fanohanana raha mahatsiaro Ahy izy.
Raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy sy irery izy, amin’ny fiderana Ahy na amin’ny fifaliana na amin’ny zavatra hafa; dia ho tsaroako ato Amiko ihany koa izy.
Ary raha mahatsiaro Ahy ao anaty vondrona izy; tsaroviko ao amin'ny vondrona iray izy ary tsara kokoa noho izy ireo.
Ary izay manatona an’I Allah irain-jehy, dia hampitombo azy Allah ary hanakaiky Azy iray hakiho.
Raha manatona azy iray hakiho, dia manatona azy Allah amin'ny hakiho lava.
Ary raha manatona an'I Allah am-pandehanana, dia hanatona azy amin'ny dia maika I Allah.
Raha manatona akaiky kokoa ny Tompony ny mpanompo ka mankatò Azy sy mitodika Aminy, dia hampitombo ny fifandraisany Aminy ny Tompo ilay Tsitoha ho tambin’ny asany.
Arakaraka ny maha feno ny fanompoan’ny mpino amin’ny Tompony no mahatonga azy hanakaiky kokoa ny tompony, ny fanomezana sy ny valisoa avy amin’Allah dia lehibe kokoa noho ny asan’ny mpanompo sy ny fikelezany.
Ny mpino dia misaina tsara, miasa, ary mifaingana sy mitombo mandra-pihaonany amin’I Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe hadith Kodsi(masina) na koa avy amin'IAllah, satria avy amin'I Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny CORAN izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.
  2. Hoy i Al-Ajri : Ny olon’ny fahamarinana dia mamaritra an’Allah ilay Tsitoha amin’izay nambarany ny Tenany, amin’izay namaritan’ny irak’Allah azy, ary amin’izay nambaran’ny mpanaradia azy ireo, ary izany no foto-pampianaran’ny manam-pahaizana izay mpanaraka sy tsy namorona zava-baovao. vita. Ny Sunnit dia manamafy amin'Allah izay nohamafisiny momba ny tenany amin'ny anarana sy ny toetra tsy misy fanodinkodinana, fanakorontanana, fanamafisana na fanehoana, ary mandà amin'Allah izay nolaviny avy Aminy, ary mangina amin'izay tsy lavina no tsy voamarina, niteny i Allah manao hoe: (Tsy misy mitovy Aminy, ary Izy no Mahare sy Mahita ny zava-drehetra).
  3. Ny fananana fiheverana tsara an’Allah dia tsy maintsy atao amin’ny alàlan’ny asa. Hoy i Al-Hasan Al-Basri : Ny mpino dia manana hevitra tsara amin’ny Tompony ary manao asa tsara, ary ny olona ratsy fitondran-tena dia manana fiheverana ratsy ny Tompony ary manao asa ratsy.
  4. Hoy i Al-Qortobi : Voalaza hoe : Ny dikan'ny hoe "Mihevitra Ahy ny mpanompoko" dia ny fiheverana ny valiny rehefa mitalaho, ny fiheverana ny fanekena rehefa mibebaka, ny fieritreretana ny famelan-keloka rehefa mangataka famelan-keloka, ary ny fiheverana ny valisoa rehefa manatanteraka fanompoam-pivavahana araka ny fepetra ao aminy, amin’ny fanarahana ny fahamarinan’ny teny fikasany, ka noho izany dia tokony hiezaka hanao izay tokony hataony amim-pahatokiana fa Allah dia manaiky sy mamela heloka ho azy; Satria nampanantena an’izany izy ary tsy mandika ny teny nomeny, ka raha mino na miahiahy izy fa tsy hanaiky an’Allah ary tsy hahasoa azy izany, dia fahadisoam-panantenana amin’ny famindram-pon’Allah izany ary anisan’ny fahotana lehibe izany, ary izay maty ao anatin’izany toe-javatra izany dia homena azy izay eritreretiny, toy ny ao amin’ny hadith sasany voalaza etsy ambony hoe : “Avelao ny mpanompoko hieritreritra Ahy amin'izay tiany. Hoy izy : Raha ny fieritreretana ny famelan-keloka no sady miziriziry, dia tsy fahalalana sy fitaka madiodio izany.” .
  5. Famporisihana hahatsiaro an’I Allah betsaka amin’ny tenanao sy amin’ny lelanao manontolo, amin’ny fanahin’ny tena sy ao am-po, matahotra an’I Allah, mahatsiaro ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany, manantena Azy, manaja Azy, mitia Azy, mihevitra Azy tsara, manao asa amim-pahatsorana ho an’ny tenany. Ary miteny amin'ny lelany hoe : Fiderana anie ho an'Allah, ary Fisaroana ho anan'Allah, ary tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary Allah no lehibe indrindra, ary tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin'IAllah.
  6. Hoy I Ibn Abi Jamrah : Izay manonona izany rehefa matahotra izy dia hahatsiaro ho voaaro, na raha manirery izy dia hanadino azy.
  7. Ny Chibra : ny elanelana eo amin'ny tendron'ny rantsantanana kely mankany amin'ny tendron'ny ankihibe rehefa mivelatra ny rantsan-tànana, ary ny sandry : ny elanelan'ny tendron'ny rantsantanana afovoany amin'ny taolana kiho, ary ny lavany : ny halavan'ny sandrin'ny olona, ​​ny sandriny ambony ary ny sakan'ny tratrany; Efatra hakiho izany.

Fanehona ny dikanteny

50 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية