1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”

عَنْ أَبِي عَمْرٍو- وَقِيلَ: أَبِي عَمْرَةَ-، سُفْيَانَ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
قُلْتُ: يَا رَسُولَ اللهِ، قُلْ لِي فِي الْإِسْلَامِ قَوْلًا لَا أَسْأَلُ عَنْهُ أَحَدًا غَيْرَكَ، قَالَ: «قُلْ: آمَنْتُ بِاللهِ، ثُمَّ اسْتَقِمْ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo 'Amri, voalaza koa hoe Abo 'Amrah, Sofyaani Ibn 'Abdillah (R.A) niteny hoe :
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, lazao zavatra momba ny finoana silamo aho, izay tsy hanontaniako olon-kafa intsony ankoatra anao. Dia hoy izy : “Lazao hoe : Mino an’Allah aho, avy eo mijoroa mahitsy ianao”.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim الأربعون النووية - 21

Ny fanazavana

Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Sofian Bin Abdollah, ilay mpiara-dia aminy, mba hampianatra azy teny iray izay mahafeno ny hevitry ny finoana silamo mba hifikirany amin'izany ka tsy hanontaniany olon-kafa intsony? Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Lazao hoe : Izaho nanokana an’I Allah, ary nino aho fa Izy no Tompoko, Zanahariko, Mpanao ahy, ary hivavahako ampahamarinana, izay tsy misy mpiara-miombona aminy. Avy eo dia voatarika hankatò an’Allah izy amin’ny fanatanterahana ireo didin’I Allah sy ny fiatahana ireo zavaboararan’I Allah ary miaina amin'izany hatrany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fototry ny fivavahana dia ny finoana an’I Allah amin'ny maha-tompo Azy, ny maha-Zanahary Azy, amin'ireo Anarany sy ireo Toetoetrany.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana aorian'ny finoana, ary ny fanohizana ny fanompoana sy ny fifikirana amin’izany hatrany hatrany.
  3. Ny finoana no fepetra mahavoaray ny asa.
  4. Ny finoana an’Allah dia mandrakotra ireo zavatra tsy maintsy inoana amin’ny foto-pinoana sy ny fototra ao aminy, ary izay manaraka izany amin’ny asan’ny fo, sy ny fanekena sy milavolefina tanteraka amin’Allah, any anatiny na ety ivelany.
  5. Ny fahitsiana dia ny fifikirana amin'ny làlan-kizorana, amin’ny alàlan'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fialana amin’ny Izay voarara.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو