1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.”

عَنِ الْمِقْدَادِ بْنِ الْأَسْوَدِ رَضيَ اللهُ عنهُ قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، يَقُولُ:
«تُدْنَى الشَّمْسُ يَوْمَ الْقِيَامَةِ مِنَ الْخَلْقِ، حَتَّى تَكُونَ مِنْهُمْ كَمِقْدَارِ مِيلٍ»، قَالَ سُلَيْمُ بْنُ عَامِرٍ: فَوَاللهِ مَا أَدْرِي مَا يَعْنِي بِالْمِيلِ؟ أَمَسَافَةَ الْأَرْضِ، أَمِ الْمِيلَ الَّذِي تُكْتَحَلُ بِهِ الْعَيْنُ قَالَ: «فَيَكُونُ النَّاسُ عَلَى قَدْرِ أَعْمَالِهِمْ فِي الْعَرَقِ، فَمِنْهُمْ مَنْ يَكُونُ إِلَى كَعْبَيْهِ، وَمِنْهُمْ مَنْ يَكُونُ إِلَى رُكْبَتَيْهِ، وَمِنْهُمْ مَنْ يَكُونُ إِلَى حَقْوَيْهِ، وَمِنْهُمْ مَنْ يُلْجِمُهُ الْعَرَقُ إِلْجَامًا» قَالَ: وَأَشَارَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بِيَدِهِ إِلَى فِيهِ.

Tatitra azo avy tamin'i Al-Miqdad Ibn Al-aswad (R.A) niteny : Izaho dia nahare an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
“Amin’ny andro farany, dia hanakaiky ny zavaboary ny masoandro mandra-pahatongan’ny halavirana iray maily (metatra) amin’izy ireo.” Hoy i Solaym bin Amir : “Mianiana amin'I Allah aho fa tsy fantatro izay atao hoe maily? Ny halaviran’ny tany, sa ny tehezan’ny maso, niteny Izy : “ny olona dia arakaraky ny asa soa vitany amin'ny hatsembohana, misy ny hoe eo amin'ny kitrokeliny, ary ny sasany eo amin'ny lohalika, ary ny sasany dia hatreo amin’ny valahany, ary ny sasany difitry ny hatsembohana.” Hoy izy : “Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanondro teo amin'ny vavany".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2864

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty dia hatonina akaiky kokoa amin'ny zavaboary ny masoandro ary hanakaiky kokoa ny lohany toy ny halavirana iray metatra. Hoy ny Tabi'i Salim bin Aamer : Mianiana amin'I Allah aho, tsy fantatro hoe iza amin'ireo roa metatra amiko, ny halaviran'ny tany, sa ny metatra izay asian'ny maso amin'ny maso? Hoy izy : Hovaliana araka ny asany izy ireo. Misy hatsembohany hatreo amin’ny kitrokeliny, ny sasany latsaka lohalika, ny sasany midina hatreo amin’ny andilany sy ny fehin-dambany, ary misy ny hatsembohana tonga eny amin'ny vavany ka manakana azy tsy hiteny. Hoy izy : Nanondro ny vavany tamin'ny tànany ny Mpaminany (S.A.W).

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny horohoron’ny andro fitsanganana amin’ny maty sy mampitahotra azy ireo.
  2. Ho ory ny olona amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty amin’ny toe-javatra iray araka ny asany.
  3. Famporisihana ny asa tsara sy fampitahorana ny asa ratsy.

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية