1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony

عن أبي موسى رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«إِنَّ اللهَ لَيُمْلِي لِلظَّالِمِ، حَتَّى إِذَا أَخَذَهُ لَمْ يُفْلِتْهُ» قَالَ: ثُمَّ قَرَأَ: «{وَكَذَلِكَ أَخْذُ رَبِّكَ إِذَا أَخَذَ الْقُرَى وَهِيَ ظَالِمَةٌ إِنَّ أَخْذَهُ أَلِيمٌ شَدِيدٌ}[هود: 102]»

Tatitra azo avy tamin'i Abou moussa (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tompo Allah dia manome fotoana ho an'ireo mpanao ny tsy rariny mpampahory ny olona mandrampitazomany azy, ka rehefa tazominy dia tsy avotsiny intsony". Niteny izy : avy eo dia namaky ny andininy masina hoe : "Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny". [hòd :102]"

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4686

Ny fanazavana

Mampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny fitohizan’ny fanaovana ny tsy rariny amin’ny alàlan’ny fahotana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanambakana ny olona amin’ny zon’izy ireo. Tompo Allah ilay Tsitoha dia manome fotoana ho an’ny mpanao ratsy, mampitarazoka azy, ary manalava ny androm-piainany sy ny fananany, ka tsy manafaingana ny famaizana azy. Raha tsy mibebaka ilay mpanao ny tsy rariny, dia hosazin'i Allah ary tsy havelany intsony noho ny tsy rariny nataony.
Avy eo izy miteny hoe : (Ary toy izany ny hamafin'ny sazin'ny tomponao rehefa mikapoka ireo tanàna mpanao ny tsy rariny. Fa mafy sy manaintaina tokoa ny saziny) [hòd :102]".

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny olona manan-tsaina dia miroso avy hatrany amin'ny fibebahana, ary tsy misy olona mahazo antoka fa hilamina amin'ny sazin'i Allah raha mbola miaina ao anatin'ny tsy rariny.
  2. Fanomezan'i Allah fotoana fohy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny ary tsy famaizana azy ireo haingana saingy hampitomboiny kosa ilay sazy raha tsy miroso amin'ny fibebahana izy ireo.
  3. Ny fanaovana ny tsy rariny dia anisan’ny antony nanasazian’Allah ny vahoaka.
  4. Raha mandrava tanàna iray i Allah dia mety hisy olo-marina sy tsara ao, Saingy hatsangana amin’ny maty izy ireo amin’ny andro farany noho ny fahamarinana izay nahafaty azy, ary tsy haharatsy azy ireo izany raha toa ka tafiditra tao anatin’ny famaizana.

Fanehona ny dikanteny

64 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية