1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina

عن أبي هريرة رضي الله عنه عن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيَقُلْ خَيْرًا أَوْ لِيَصْمُتْ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ جَارَهُ، وَمَنْ كَانَ يُؤْمِنُ بِاللهِ وَالْيَوْمِ الْآخِرِ فَلْيُكْرِمْ ضَيْفَهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 47

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny Mpanompo izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany, izay hiverenany sy hahazoany valisoa amin'ny asany, dia ampirisihin'ny finoany mba hanao ireo toetra ireo :
Ny voalohany dia : Ny Teny tsara: avy amin’ny fiderana sy fanokanana an’i Tompo Allah, ny fibaikoana ny tsara, ny fandrarana ny tsy mety, ary ny fampihavanana ny Olona raha tsy manao izany Izy, dia tokony hangina, tsy hanisy ratsy Azy, ary hiaro ny lelany mba tsy hanao ireo zava-mamoampady.
Faha-roa : Ny Fanajana ny mpiara-belona: amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy Aminy fa tsy manisy ratsy Azy.
Faha-telo : Ny Manaja ny vahiny tonga mamangy Anao: amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy, amin’ny fanomezana sakafo, sy ny toy izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Finoana an’i Tompo Allah sy ny andro farany no loharanon’ny Soa rehetra ary mandrisika ny olona hanao ny tsara.
  2. Fampitandremana amin'ny voka-dratsy ateraka avy amin'ny asany lela.
  3. Ny fivavahan'ny Silamo dia fivavahan'ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanana.
  4. Anisan’ny sampan’ny Finoana sy ny fahalalam-pomba mendri-piderana ireo toetra ireo.
  5. Ny firesahana diso tafahoatra loatra dia mety hitarika amin’ny fanaovana zavatra ratsy matsiravina tsy tiana na zavatra voarara, ary ny tsy fitenenana afa-tsy ny amin’ny zavatra tsara no tena azo antoka indrindra.

Fanehona ny dikanteny

69 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو