1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ غَدَا إِلَى الْمَسْجِدِ أَوْ رَاحَ أَعَدَّ اللهُ لَهُ فِي الْجَنَّةِ نُزُلًا، كُلَّمَا غَدَا أَوْ رَاحَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay mankany amin'ny moske amin'ny maraina na amin'ny fialan-tsasatra, dia hanomanan'I Allah trano ao amin'ny Paradisa ho azy, isaky ny mandeha maraina na miala sasatra izy."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 669

Ny fanazavana

Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) ho an'izay tonga tao amin'ny moske hamonjy ny fanompoam-pivavahana, fahalalana, na tanjona tsara hafa amin'ny fotoana rehetra; amin'ny fiandohan'ny andro na amin'ny fiafaran'ny andro dia Allah nanomana toerana sy fampiantranoana ho azy ao amin'ny Paradisa, isaky ny tonga ao amin'ny moske izy, na andro na alina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin’ny fandehanana any amin’ny moske, sy ny famporisihana hihazona ny swalat amin'ny mosquée, efa firy ny valisoa izay very tamin'ireo mpanao tsinotsinona ny moske ary ny fampiantranoana izay ampanantenain’I Allah ho an’izay mandeha any an-tranony.
  2. Raha manaja izay tonga ao an-tranony ny olona ka manolotra sakafo ho azy, dia Allah malala-tànana mihoatra noho ny zavaboariny! Na zovy na zovy no ho any an-tranony, dia hanome voninahitra azy, ary Allah hanomana trano fandraisam-bahiny lehibe sady ngeza ho azy.
  3. Ny hafaliana sy ny firavoravoana amin'ny fandehanana any amin'ny moske; Satria misy trano hitokana ho azy isa-maraina na hariva, arakaraka ny isan’ny diany.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية