1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Ny dinara izay laninao tamin’ny làlan’Allah, ny dinara nolanianao tamin’ny andevo iray, ny dinar nomenao ho fiantrana ny mahantra, ary ny dinara izay laninao tamin’ny ankohonanao, ka ny tena hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay nolaninao tamin'ny fianakavianao.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قالَ: قالَ رَسُولُ اللَّهِ صلَّى اللَّهُ عليْه وسلَّمَ:
«دِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ فِي سَبِيلِ اللهِ، وَدِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ فِي رَقَبَةٍ، وَدِينَارٌ تَصَدَّقْتَ بِهِ عَلَى مِسْكِينٍ، وَدِينَارٌ أَنْفَقْتَهُ عَلَى أَهْلِكَ أَعْظَمُهَا أَجْرًا الَّذِي أَنْفَقْتَهُ عَلَى أَهْلِكَ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny dinara izay laninao tamin’ny làlan’Allah, ny dinara nolanianao tamin’ny andevo iray, ny dinar nomenao ho fiantrana ny mahantra, ary ny dinara izay laninao tamin’ny ankohonanao, ka ny tena hahazoana valisoa lehibe indrindra dia izay nolaninao tamin'ny fianakavianao.”

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 995

Ny fanazavana

Nanonona karazana fandaniana sasany ny Mpaminany (S.A.W), ary nilaza hoe : Dinar izay laninao tamin'ny ady masina ho an'I Allah, dinar izay laninao tamin'ny fanafahana ny andevo tamin'ny fanandevozana sy ny fanompoana, dinar iray izay nomenao fiantrana ho an’ny mahantra iray, sy ny dinar iray izay laninao ho an’ny fianakavianao sy ny havanao, avy eo dia nilaza izy fa ny lehibe indrindra amin’izy ireo ary hahazoana valisoa avy amin’I Allah, dia izay nolanianao tamin’ny ankohonanao sy ny fianakavianao ary izay tsy maintsy iantohanao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Betsaka ny fandaniana amin'ny làlan'I Allah.
  2. Fandrosona ny laharam-pahamehana amin'ny fandaniana rehefa maro ny olona, ​​anisan’izany ny fandaniana amin'ny fianakaviana rehefa tsy afaka manao izany amin'ny rehetra.
  3. Hoy i Al-Nawawi, araka ny fanazavan'ny Mo teslim : Mamporisika ny fandaniana amin'ny fianakaviana, ary manazava ny halehiben'ny valisoa ao aminy. Satria ao amin'izy ireo dia misy izay tsy maintsy handoavana vola amin'ny alàlan'ny havan-tiany, ary ao anatin'izany ireo izay atolotra ary heverina ho fiantrana sy fifandraisana, ary ao anatin'izany ireo izay tsy maintsy atao amin'ny fananan'ny fanambadiana na ny fananan'ny fianianana, ary izany rehetra izany dia tsara sy amporisihina, ary tsara noho ny fiantrana an-tsitrapo izany.
  4. Hoy i Al-Sindi : Ny teniny (dinar izay laniny amin'ny ankohonana), dia midika hoe : raha mikasa ny handany izany ho an'Allah izy ary maniry ny zon'ny ankohonany, ohatra.
  5. Hoy I Abo Qilabah : Iza no olona manana valisoa lehibe mihoatry ny olona mandany vola amin'ny ankizy madinika, mampadio azy ireo, na amin'iza no anomezan'I Allah soa azy sy mampanankarena azy?

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية