1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray

عَنْ أَنَسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، قَالَ: لَأُحَدِّثَنَّكُمْ حَدِيثًا سَمِعْتُهُ مِنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لاَ يُحَدِّثُكُمْ بِهِ أَحَدٌ غَيْرِي: سَمِعْتُ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِنَّ مِنْ أَشْرَاطِ السَّاعَةِ أَنْ يُرْفَعَ العِلْمُ، وَيَكْثُرَ الجَهْلُ، وَيَكْثُرَ الزِّنَا، وَيَكْثُرَ شُرْبُ الخَمْرِ، وَيَقِلَّ الرِّجَالُ، وَيَكْثُرَ النِّسَاءُ حَتَّى يَكُونَ لِخَمْسِينَ امْرَأَةً القَيِّمُ الوَاحِدُ».

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), Niteny Izy ka nanao hoe : Hitantara Aminareo Hadith iray izay reko tamin'ny Irak'Allah aho, ka tsy hisy hitantara aminareo izany afa-tsy Izaho ihany : Nandre ny Irakan'i Tompo Allah Aho Niteny ka nanao hoe :
" Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5231

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo famantarana ny fahatongavan'ny Andro farany sy ny Andro ny fitsarana dia hiala eo amin'ny Olombelona avokoa ny fahalalana ara-pinoana, ary izany zavatra izany dia miseho noho ny avy amin'ny fahafatesan'ireo Manam-pahaizana rehetra misy eto an-tany. Ka ny vokany izany dia mitombo sy mihanaka mahay maro sy betsaka ny tsy fahalalana, lasa mitombo avo eny ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fijangajangana sy ny fahalotoam-pitondrantena, any ka lasaq mitombo avo eny ihany koa ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fisotroana ny toaka, ary lasa mihena andro amanalina ny isan'ireo vatan-dehilahy fa lasa mitombo isa mandrakariva ihany kosa ny isan'ireo vehivavy. Ka dia lasa miafara vehivavy dimampolo indray no manana lehilahy iray izay mitsangana mikarakara ny raharaha momba azy ireo sy mikarakara ihany koa ny tombontsoan'izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana sy famelabelarana ireo ampahany amin'ireo famantarana ny fisiany Andro farany.
  2. Ny fahalalana momba ny fotoana izay mety higadonan'ny andro farany dia tafiditra anisan'ireo fahalalana miafina izay nosafidin'ny Tompo Allah ho an'ny Tenany manokana irery ihany ka tsy misy mahalala sy mahafantatra an'izany na dia iray aza.
  3. Famporisihana ny hianatra ny fahalalana momba ny finoana Islam mialohan'ny hahavery azy.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو