1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنْ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«قَالَ اللَّهُ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: أَعْدَدْتُ لِعِبَادِي الصَّالِحِينَ، مَا لاَ عَيْنٌ رَأَتْ، وَلاَ أُذُنٌ سَمِعَتْ، وَلاَ خَطَرَ عَلَى قَلْبِ بَشَرٍ» قَالَ أَبُو هُرَيْرَةَ: اقْرَؤُوا إِنْ شِئْتُمْ: {فَلاَ تَعْلَمُ نَفْسٌ مَا أُخْفِيَ لَهُمْ مِنْ قُرَّةِ أَعْيُنٍ} [السجدة: 17].

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
“Hoy Allah ilay Avo Indrindra : Efa nomaniko ho an’ny mpanompoko mpanao asa soa izay tsy mbola hitan’ny maso, na ren’ny sofina, ary tsy mbola noheverin’ny fon’ny olombelona hatrizay.” Hoy i Abo Horaïrah : “vakio raha tianareo : {Fa tsy misy olona mahalala izay takona aminy mba hampiononana ny masony} [Al-Sajdah: 17] .

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4779

Ny fanazavana

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa Allah ilay Avo Indrindra, dia nilaza manao hoe : Efa nanomana voninahitra ho an’ireo Mpanompoko marina Aho ao amin’ny Paradisa izay tsy mbola hitan’ny maso ny tena maha-izy azy, tsy mbola ren’ny sofina ny filazalazana azy, ary tsy mbola tonga na nandalo tao amin’ny fon’ny olombelona ny tena maha izy azy. I Abo Horaïrah (R.A) dia niteny hoe : Vakio raha tianareo hoe :
(Ka dia tsy misy olona mahalala izay takona aminy noho ny fampiononana ny maso). [Al-Sajdah: 17].

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Io hadith io dia notantarain'ny Mpaminany (S.A.W) avy amin'ny Tompony, ka antsoina hoe hadith AL-QODSI (masina) na koa avy amin'I Allah, satria avy amin'I Allah ny teny sy ny heviny, saingy tsy manana lanja sy toerana mitovy amin'ny CORAN izay manavaka azy amin'ny zavatra hafa rehetra, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny alàlan'ny famakiana azy, ny fanadiovana, ny fanamby, ny fahagagana, sy ny sisa.
  2. Famporisihana ny olona hanao ny tsara sy hiala amin'ny ratsy. Mba hahazoana izay nomanin’I Allah ho an’ny mpanompony marina.
  3. Allah Tsitoha dia tsy nampahafantatra antsika tao amin’ny Bokiny sy ny sonnan’ny Iraka avy Aminy ny zava-drehetra ao amin’ny Paradisa, ary ny zavatra tsy fantatsika dia lehibe noho izay fantatsika.
  4. Fanazavana ny amin’ny fahafenoan’ny fahasambaran’ny Paradisa, sy ny hahitan’ny mponina ao aminy fahafinaretana tsy misy alahelo na tebiteby.
  5. Ny fahafinaretan'izao tontolo izao dia mandalo ary ny any ankoatra dia tsara sy maharitra kokoa.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية