1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny tantaram-iainana sy ny tantara

Hadith Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤمنينَ رضي الله عنها قَالَتْ:
كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُعْجِبُهُ التَّيَمُّنُ، فِي تَنَعُّلِهِ، وَتَرَجُّلِهِ، وَطُهُورِهِ، وَفِي شَأْنِهِ كُلِّهِ.

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny izy :
Tian'ny Mpaminany (S.A.W) ny manao zavatra amin'ny havanana, rehefa manao kiraro, rehefa mandrongo volo, rehefa midio, ary tamin’ny raharahany rehetra.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 168

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W) dia mitia sy mankafy ny manomboka ny zava-drehetra amin'ny ankavanana tamin'ny zavatra rehetra izay mendrika ho men-danja, isan'izany : Atombony amin’ny tongotra havanana rehefa manao ny kirarony, ary manomboka amin’ny havanana amin’ny fanaingoana ny volony sy ny volom-bavany sy ny fipasohana azy ary ny fanosorana menaka, ary eo amin’ny fanaovany Ozo dia sasany mialohan'ny ankaviany ny tànany havanana sy ny tongony havanana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Nilaza i Nawawi manao hoe : Ity fitsipika ity dia mitohy hatrany ao amin'ny lalàna, izany dia izay rehetra misy lanjany sy voninahiny, toy ny fanaovana akanjo, pataloha, kapa, miditra ao amin'ny moske, ny fiborosina nify, ny manao vanja, ny manapaka ny hoho, manapaka volom_bava, mibango volo, manongotra ny volokelika, manasola ny loha, mamarana ny soalat, ary manasa ny faritra diovina amin'ny ratsam-batana, mivoaka ny trano fidiovana, misakafo sy misotro, mifandray tànana, mikasika ny Vato mainty, sy ny zavatra hafa izay misy dikany mitovy aminy, fa ny mifanohitra amin'izany kosa, toy ny hoe miditra ao amin’ny trano fidiovana, miala ao amin’ny moske, mipipi, manadio tena, manala akanjo, pataloha, kapa, sy ny sisa, dia tsaratsara ny manomboka azy amin'ny havia, ary izany rehetra izany dia natao mba hanomezam-boninahitra ny havanana sy ny lanjany.
  2. “Mahafinaritra azy ny manao zavatra amin'ny havanana” tafiditra ao avokoa ny : fanombohana manao zavatra amin'ny tànana havanana, ny tongotra havanana, ny ilany havanana ary ny fanomezana zavatra amin'ny havanana.
  3. Nilaza i Nawawi : Fantaro fa misy ampahany amin'ny faritra diovina rehefa manao Ozo dia tsy tsara atao ny manomboka amin'ny havana, dia ny sofina roa, ny felatànana roa, ary ny takolaka roa, fa diovina miaraka indray mandeha izy roa, fa raha tsy vita ny manao izany dia atomboka amin'ny havanana, toy ny amin’ny olona tapaka sy ny hafa ankoatr'izany.

Fanehona ny dikanteny

53 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية