1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا تَوَضَّأَ أَحَدُكُمْ فَلْيَجْعَلْ فِي أَنْفِهِ ثُمَّ لِيَنْثُرْ، وَمَنِ اسْتَجْمَرَ فَلْيُوتِرْ، وَإِذَا اسْتَيْقَظَ أَحَدُكُمْ مِنْ نَوْمِهِ فَلْيَغْسِلْ يَدَهُ قَبْلَ أَنْ يُدْخِلَهَا فِي وَضُوئِهِ، فَإِنَّ أَحَدَكُمْ لاَ يَدْرِي أَيْنَ بَاتَتْ يَدُهُ». ولفظ مسلم: «إِذَا اسْتَيْقَظَ أَحَدُكُمْ مِنْ نَوْمِهِ فَلَا يَغْمِسْ يَدَهُ فِي الْإِنَاءِ حَتَّى يَغْسِلَهَا ثَلَاثًا، فَإِنَّهُ لَا يَدْرِي أَيْنَ بَاتَتْ يَدُهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Rehefa manao Ouzo ny iray aminareo, dia aoka izy hampiditra izany any amin’ny orony, ary avy eo havoakany, ary izay manao ny istijmàra (mifitra amin'ny vato sns...), dia aoka hataony telo, ary rehefa mifoha amin’ny torimasony ny anankiray aminareo, dia aoka izy hanasa tànana alohan’ny handraisany ny rano hanaovany ozo, fa tsy misy aminareo mahalala ny toerana nipetrahan'ny tanany tamin'ny alina. Araka ny hadith-n'i Moslim : “Raha mifoha amin’ny torimasony ny iray aminareo, dia aza atsoboka ao anaty siny ny tànany mandra-panasany azy intelo, satria tsy fantany ny toerana nisy ny tanany nandritra ny alina.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 162

Ny fanazavana

Nanazava ny ampahany amin'ireo lalàna momba ny fahadiovana ny Mpaminany (S.A.W), ao anatin'izany ny : Ny voalohany : Izay midio (ouzò) dia tokony hampiditra rano kely amin’ny orony no sady sotominy, avy eo mamoaka izany no sady manisina azy. Ny faharoa : Izay tia hanadio ny maloto mivoaka aminy ka hanala izany amin'ny zavatra hafa ankoatra ny rano, toy ny vato sy izay rehetra mitovy aminy, dia tokony ho diovina amin'ny isa tokana, ka ny kely indrindra amin'izany dia telo ary ny habetsaka indrindra dia izay mahafaka ilay loto sy mampadio azy. Ny fahatelo : Izay mifoha amin’ny torimaso alina dia tsy tokony hampiditra ny felatànany ao anatin’ny siny rehefa hanao ozò raha tsy efa nanasa intelo ny tanany ivelan’ny siny, satria tsy fantany izay nisy ny tanany tamin'ny alina, ka tsy ho azony antoka ny fahadiovany, ary mety ho nilalaovin'ny Satana ny tanany ka nitondrany zavatra manimba ny olona na manimba ny rano.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy maintsy manao "Istinshak" eo amin'ny ouzou, izany hoe : mampiditra rano amin'ny orona miaraka amin'ny fofonaina, ary tsy maintsy manao "istinsar", izany hoe : mamoaka rano avy amin'ny orona miaraka amin'ny fofonaina.
  2. Tsara ny manao Istijmàr amin'ny isa tsitokatokana.
  3. Ny maha ari-fomba islamika ny manasa tanana in-telo rehefa avy natory amin’ny alina.

Fanehona ny dikanteny

58 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية