1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.”

عَنْ أَبِي أَيُّوبَ الأَنْصَارِيِّ رضي الله عنه أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا أَتَيْتُمُ الغَائِطَ فَلاَ تَسْتَقْبِلُوا القِبْلَةَ، وَلاَ تَسْتَدْبِرُوهَا وَلَكِنْ شَرِّقُوا أَوْ غَرِّبُوا» قَالَ أَبُو أَيُّوبَ: فَقَدِمْنَا الشَّأْمَ فَوَجَدْنَا مَرَاحِيضَ بُنِيَتْ قِبَلَ القِبْلَةِ فَنَنْحَرِفُ، وَنَسْتَغْفِرُ اللَّهَ تَعَالَى.

Tatitra azo avy tamin'i Abo Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Rehefa mandeha any amin’ny kabone ianareo, dia aza mitodika any amin’ny Kiblat ary aza miamboho azy, fa aleo miantsinanana na miankandrefana.” Hoy i Abo Ayob : “Rehefa tonga tany Shami izahay dia nahita ireo kabone namboarina nitodika tany amin'ny kiblat, ka novainay izany ary mangataka famelan-keloka tamin’i Allah Ilay Tsitoha.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 394

Ny fanazavana

Noraran'ny Mpaminany (S.A.W) ny olona te hanala ny mavesatra aminy toy ny amany sy tay mba tsy hitodika any amin'ny Kiblat makany amin'ny Ka'ba, ary tsy miamboho azy ka nanao azy ao aoriany; Fa tsy maintsy miala amin'izany mankany atsinanana na andrefana izy raha toa ka mitovy amin'ny kiblat an'ny mponin'i Madina ny kiblat eo aminy. Avy eo nilaza i Abo Ayob (R.A) fa rehefa tonga tao Siria izy ireo dia nahita fa ny trano fivoahana nomanina ho an'ny fanalana zava-mavesatra dia naorina manatrika ny Ka'ba, noho izany dia nampihodina ny vatany hiala teo amin'ny Kiblat izy ireo, avy eo dia nangataka famelan-keloka amin’i Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahendrena ao ambadik'izany dia ny fanajana ny Kaaba Masina sy ny fanomezam-boninahitra azy.
  2. Fangatahana famelan-keloka rehefa avy nandao ny toeram-pivoahana.
  3. Ny fampianarana tsara nataon'ny Mpaminany (S.A.W) Satria rehefa nanambara ny fady izy dia nanondro ny azo atao.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية