1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِذَا تَوَضَّأَ الْعَبْدُ الْمُسْلِمُ -أَوِ الْمُؤْمِنُ- فَغَسَلَ وَجْهَهُ خَرَجَ مِنْ وَجْهِهِ كُلُّ خَطِيئَةٍ نَظَرَ إِلَيْهَا بِعَيْنَيْهِ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ-، فَإِذَا غَسَلَ يَدَيْهِ خَرَجَ مِنْ يَدَيْهِ كُلُّ خَطِيئَةٍ كَانَ بَطَشَتْهَا يَدَاهُ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ-، فَإِذَا غَسَلَ رِجْلَيْهِ خَرَجَتْ كُلُّ خَطِيئَةٍ مَشَتْهَا رِجْلَاهُ مَعَ الْمَاءِ -أَوْ مَعَ آخِرِ قَطْرِ الْمَاءِ- حَتَّى يَخْرُجَ نَقِيًّا مِنَ الذُّنُوبِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 244

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa raha misy silamo na mpino iray manadio ny tenany ary manasa ny tavany mandritra ny Ozo, dia ny fahotana kely rehetra izay nojereny tamin'ny masony hivoaka amin'ny tavany miaraka amin'ny rano milatsaka rehefa avy nanasa na tamin’ny rano indray mitete farany izy, dia hivoaka avy amin’ny tànany miaraka amin'ny rano mitete ny ota kely rehetra izay nataon’ny tànany, ka raha nanasa ny tongony izy ny ota kely nataon’ny tongony dia mivoaka miaraka amin’ny rano, na miaraka amin’ny rano indray mitete farany mandra-pivoakany madio amin’ny ota madinika amin’ny alàlan’ny famitana ny Ozo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hatsaran'ny fitazomana ny Ozo, ary izany dia mamafa ny ota.
  2. Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W) ny famporisihany ny olona hanao asa fankatoavana sy fanompoam-pivavahana amin'ny filazana ny valisoa sy tambiny ho azy ireo.
  3. Ny taovan'ny olombelona rehetra dia latsaka ao anatin'ny fahotana sasany, ary noho izany ny fahotana dia manaraka ny ratra rehetra azony, ary mivoaka avy amin'ny ratra rehetra izay mibebaka amin'izany.
  4. Ny Ozo dia ahitana ny fanadiovana ara-batana, izay mitranga rehefa voasasa ny rantsambatana, ary ny fanadiovana ara-moraly, izay mitranga amin'ny famafana ny ota ataon'ny rantsam_batana.

Fanehona ny dikanteny

43 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية