عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ دَخَلَ المَسْجِدَ فَدَخَلَ رَجُلٌ، فَصَلَّى، فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَرَدَّ وَقَالَ: «ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ»، فَرَجَعَ يُصَلِّي كَمَا صَلَّى، ثُمَّ جَاءَ، فَسَلَّمَ عَلَى النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَقَالَ: «ارْجِعْ فَصَلِّ، فَإِنَّكَ لَمْ تُصَلِّ» ثَلاَثًا، فَقَالَ: وَالَّذِي بَعَثَكَ بِالحَقِّ مَا أُحْسِنُ غَيْرَهُ، فَعَلِّمْنِي، فَقَالَ: «إِذَا قُمْتَ إِلَى الصَّلاَةِ فَكَبِّرْ، ثُمَّ اقْرَأْ مَا تَيَسَّرَ مَعَكَ مِنَ القُرْآنِ، ثُمَّ ارْكَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ رَاكِعًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَعْدِلَ قَائِمًا، ثُمَّ اسْجُدْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ سَاجِدًا، ثُمَّ ارْفَعْ حَتَّى تَطْمَئِنَّ جَالِسًا، وَافْعَلْ ذَلِكَ فِي صَلاَتِكَ كُلِّهَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny :
Niditra tao amin'ny moske ny irak'Allah, ary nisy lehilahy iray niditra sy nivavaka ary niarahaba an'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy ary niteny manao hoe : «Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”, Dia niverina nivavaka tahaky ny nataony teo aloha ary nanatona an'ny Mpaminany (S.A.W) sady niarahaba azy. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Miverena mivavaka ianao fa tsy mbola nivavaka mihitsy", naveriny in-telo. Dia hoy izy : Mianiana amin’Ilay naniraka anao amin’ny fahamarinana aho ry Irak'Allah, fa tsy mahay tsara noho iny aho, koa ampianaro", dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia mitenena Allah Akbar, avy eo mamakia izay vitanao amin'ny andininy masina Coran, avy eo mihondreha tsara ianao mandra-pahatonianao eo am-pihondrehana, dia mitsangana ianao mandra-pijoroanao mahitsy tsara, ary miankohofa mandra-pahatonianao eo am-piankohofana, dia miharena ianao mandra-pahitanao fa tafapetraka tsara ianao, Ary ataovy izany amin’ny vavaka rehetra ataonareo.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 757

Ny fanazavana

Niditra tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) ary avy eo dia nisy lehilahy iray niditra ka nivavaka roa rakaat amin'ny haingana be, tsy nahavita tsara ny fijoroany sy ny fihondrehany ary ny fiankohofany, nijery azy nandritra ny fivavahany i Mpaminany (S.A.W) izay nipetraka teny an-joron'ny moske, ka tonga tany amin'ny Mpaminany izy ary niarahaba azy, namaly ny fiarahabany i Mpaminany (S.A.W) ary niteny manao hoe : Miverena ary avereno ny vavakao. Satria tsy mbola nivavaka ianao teo. Dia niverina nivavaka faingana toy ny nivavahany teo aloha ihany izy, avy eo dia tonga niarahaba ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy i Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : Miverena ary avereno ny vavakao. Satria tsy mbola nivavaka ianao, naveriny in-telo izany. Hoy ilay lehilahy : Mianiana amin'Ilay naniraka anao tamin'ny fahamarinana aho, tsy mahay tsara mihoatry ny nataoko teo aho ka mba ampianaro. Teo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia manaova takbir al-Ihram, avy eo mamakia ny Renin'ny CORAN (Sourat Al-Fatiha) sy izay vitanao vakina, dia mihondreha mandra-pahatonianao hoe tena nihondrika amin'ny fametrahana ny felatanao eo amin'ny lohalinao ary manitatra ny lamosinao ary afaka mihondrika tsara, dia atsangano sy ahitsio ny vatanao mandra-piverin'ny taolana amin'ny tonon-taolana ary mijoro mahitsy ianao, dia miankohoka mandra-pahatony amin'ny fiankohofana amin'ny orona, tànana, lohalika ary tendrony amin'ny rantsan-tongotra amin'ny tany, dia mitsangana mandra-pipetrakao eo anelanelan'ny fiankohofana roa, dia ataovy izany isaky ny rakaat amin'ny vavakao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ireo andrin’ny fivavahana ireo dia tsy azo alatsaka, na noho ny tsy fitandremana na noho ny tsy fahalalana, araka ny nasehony nibaiko an'ilay mpivavaka amin’ny famerenana azy ireo, ary ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nijanona fa nampianatra azy.
  2. Anisan’ny andrin’ny vavaka ny fitoniana.
  3. Hoy i Al-Nawawi : Midika izany fa izay manao tsirambina ny sasany amin'ireo adidy amin'ny fivavahana dia tsy manan-kery ny fivavahany.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Tafiditra ao anatin'izany ny fahatsoran'ny amin'ny mpianatra sy ny tsy mahalala, ny fahalalam-pomba aminy, ary manazava ny olana aminy amin'ny famintinana ny tanjona, ary ny famerana ny zony amin'izay zava-dehibe tsy misy fanampin-javatra izay tsy zakan'ny toe-pahasalamany ny mitadidy sy manao izany.
  5. Hoy i Al-Nawawi : Maneho izany fa raha anontaniana ny mufti ny amin’ny zavatra iray ka misy zavatra hafa ilain’ilay mpanontany ka tsy nanontany azy momba izany izy, dia tsara ho azy ny milaza izany aminy, ary izany dia avy amin’ny torohevitra fa tsy tafiditra amin'ny firesahana zavatra tsy mahakasika azy.
  6. Ny hatsaran’ny fiaikena ny kileman-toetra, araka ny nambarany : “Tsy mahay tsara mihoatry ny nataoko aho, koa ampianaro”.
  7. Hoy I Ibn Hajar : Tafiditra ao anatin'izany ny famporisihana amin'ny tsara sy ny fandrarana ny tsy mety, ary tokony mangataka amin'ny manam-pahaizana ny mpianatra mba hampianatra azy.
  8. Tsaratsara ny fiarahabana rehefa mifanena, ary ny ilàna ny famerenana azy, ary ny famerimberenana izany raha miverimberina ny fihaonana, na dia akaiky aza ny fotoana, ary tsy maintsy averina isaky ny mandeha.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية