1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَا يَزَالُ البَلاَءُ بِالمُؤْمِنِ وَالمُؤْمِنَةِ فِي نَفْسِهِ وَوَلَدِهِ وَمَالِهِ حَتَّى يَلْقَى اللَّهَ وَمَا عَلَيْهِ خَطِيئَةٌ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Hitohy hatrany ny fitsapana ho an’ny mpino, na lahy na vavy, eo amin’ny fiainany sy ny zanany ary ny fananany, mandra-pihaonany amin’I Allah, ary tsy hisy ota intsony eo aminy”.

Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad Sonan At-Tirmizì - 2399

Ny fanazavana

Milaza ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny loza sy ny fitsapana dia tsy misaraka amin'ny mpanompo lahy sy vavy, eo amin'ny tenany toy ny fahasalamany sy ny vatany, eo amin'ireo zanany toy ny aretina sy fahafatesana na tsy fanajan'ny zanaka, na hafa ankoatr'izany,eo amin'ny hareny, toy ny fahantrana, ny fanjavonan’ny varotra, ny halatra, ny fitotonganan’ny fivelomana, ary ny fahasahiranana eo amin’ny asa fivelomana, mandra-pamafan'I Allah ny fahotany rehetra amin'ny alalan'izany fitsapana izany, ka rehefa mihaona amin’I Allah izy dia efa voadio ny fahotana rehetra vitany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan’ny famindram-pon’i Allah amin’ireo mpino mpanompony dia ny famafany ny fahotan’izy ireo eto an-tany noho fahavoazan'izy ireo ny loza eo aminy.
  2. Ny loza ihany dia mamafa ny fahotana raha toa ka mpino ilay olona, ka raha manam-paharetana ny mpanompo iray ka tsy tezitra dia hahazo valisoa.
  3. Famporosiana ny amin'ny faharetana amin’ny zavatra rehetra, amin’izay tiany sy halany, dia tokony hanam-paharetana izy mba hanatanterahany izay nandidian’i Allah, ary tokony hanam-paharetana mba hialany amin’izay voararan’I Allah, manantena ny valisoa avy amin’I Allah ary matahotra ny famaizany.
  4. Ny teniny hoe : “Amin’ny mpino lahy sy vavy”, ny teny "mpino vavy" fanampiny dia manaporofo ny fanamafisana bebe kokoa ho an'ny vehivavy, Raha tsy izany, raha nilaza fotsiny izy hoe : “amin'ny mpino”, dia ho anisan’izany ny vehivavy; Satria tsy voatokana ho an’ny lehilahy ihany izany, ka raha manjo ny vehivavy ny loza, dia ampanantenaina valisoa mitovy amin’izany koa izy amin’ny alàlan’ny famafana ny fahotana sy ny fahadisoana.
  5. Anisan'ny manamora ny hotsika manjo ny mpanompo isaky ny mihetsika, dia ny hatsarana azony vokatry ny loza nahazo azy.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية