1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Ry olona, ​​tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.”

عن أَبِي حَازِمِ بْن دِينَارٍ:
أَنَّ رِجَالًا أَتَوْا سَهْلَ بْنَ سَعْدٍ السَّاعِدِيَّ، وَقَدِ امْتَرَوْا فِي الْمِنْبَرِ مِمَّ عُودُهُ، فَسَأَلُوهُ عَنْ ذَلِكَ، فَقَالَ: وَاللهِ إِنِّي لَأَعْرِفُ مِمَّا هُوَ، وَلَقَدْ رَأَيْتُهُ أَوَّلَ يَوْمٍ وُضِعَ، وَأَوَّلَ يَوْمٍ جَلَسَ عَلَيْهِ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، أَرْسَلَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِلَى فُلَانَةَ -امْرَأَةٍ من الأنصار قَدْ سَمَّاهَا سَهْلٌ-: «مُرِي غُلَامَكِ النَّجَّارَ أَنْ يَعْمَلَ لِي أَعْوَادًا أَجْلِسُ عَلَيْهِنَّ إِذَا كَلَّمْتُ النَّاسَ»، فَأَمَرَتْهُ فَعَمِلَهَا مِنْ طَرْفَاءِ الْغَابَةِ، ثُمَّ جَاءَ بِهَا، فَأَرْسَلَتْ إِلَى رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَأَمَرَ بِهَا فَوُضِعَتْ هَاهُنَا، ثُمَّ رَأَيْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ صَلَّى عَلَيْهَا وَكَبَّرَ وَهُوَ عَلَيْهَا، ثُمَّ رَكَعَ وَهُوَ عَلَيْهَا، ثُمَّ نَزَلَ الْقَهْقَرَى، فَسَجَدَ فِي أَصْلِ الْمِنْبَرِ ثُمَّ عَادَ، فَلَمَّا فَرَغَ أَقْبَلَ عَلَى النَّاسِ فَقَالَ: «أَيُّهَا النَّاسُ، إِنَّمَا صَنَعْتُ هَذَا لِتَأْتَمُّوا وَلِتَعَلَّمُوا صَلَاتِي».

Tatitra azo avy tamin'Abi Hàzim bin Dinar :
Nisy andian-dehilahy maro tonga tany amin'i Sahl bin Sa'ad As-Sa'idi, ary izy ireo dia nifanditra momba ilay hazo nanaovana ilay polipitra,ka nanontany azy ny amin'izany izy ireo, dia hoy izy : "Miainiana amin'Allah aho, fa tena fantatro tokoa izany, ary izaho dia nahita izany tamin'ny andro voalohany nametrahana azy, sy tamin'ny andro voalohany nipetrahan'ny Irak'Allah (S.A.W) teo amboniny. Nandeha olona ny Irak'Allah (S.A.W) tany amin'ny vehivavy "Ansar" iray izay nantsoiny hoe Sahl -: “Ilazao ilay zanakao mpandrafitra handrafitra hazo ipetrahako rehefa miresaka amin’olona aho.” Dia nandidy azy izy, ka dia nataony izany, tamin’ny hazo an’ala, aorian'izany dia noentiny, ka dia nalefany tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) izany ary nasainy nalaina ka napetrany teo amin'ny toerany. Taorian'izany dia hitako ny irak'Allah (S.A.W) nivavaka teo amboniny sy niteny hoe “Allahou Akbar” dia niondrika teo amboniny, dia nidina, nihemotra ary niankohoka teo alohohan’ny polipitra, avy eo niverina, ka rehefa tampitra izany dia nitodika tany amin’ireo olona izy ary niteny hoe : “Ry olona, ​​tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.” .

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 917

Ny fanazavana

Nisy andian-dehilahy tonga teo amin’iray tamin’ireo mpanaradia nanontany azy momba ny polipitra an’ny Mpaminany izay nampiasain'ny Irak’Allah (S.A.W) hoe: namboarina tamin'inona? Niady hevitra sy nifamaly ny amin’izany izy ireo, ka nolazainy tamin’izy ireo fa ny Irak'Allah (S.A.W) nandefa lehilahy iray ho any amin’ny vehivavy iray avy amin’ny "Ansar" izay nanana mpandrafitra iray izy, ka hoy izy taminy : Lazao ny mpanampinao hanamboatra ho ahy polipitra iray azoko ipetrahana rehefa miresaka amin'ny olona aho. Dia nanaiky ilay vehivavy ka nanome baiko ny mpanampiny hanao iray ho an'ny Mpaminany, polipitra vita tamin'ny hazo ary rehefa vita izany, dia nalefan'ilay vehivavy tany amin'ny Mpaminany izany ary napetraka teo amin'ny toerana iray tao amin'ny moske, dia nivavaka ny mpaminany, teo amboniny ary niteny hoe “Allaho Akbar” raha mbola teo amboniny izany, dia niondrika izy, avy eo dia nidina, nandeha nihemotra tsy nihodina, niverina izy ary rehefa vita ny vavaka dia nitodika tany amin’ny olona izy ka niteny hoe : “Ry olona, ​​mba hanarahanareo ahy sy hianaranareo ny fivavako ihany no nanaovako izao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsaratsara ny manao polipitra sy ny toerana hitsanganan'ny mpitory teny eo amboniny, ary ny tombotso amin'izany dia fitaran'ny feo sy fahenoana azy.
  2. Azo atao ny mivavaka eny amin'ny polipitra noho ny fampianarana, ary azo ataon'ny mpitarika ny mijanona eny amin'ny toerana avo noho ireo tarihina noho ny filana manokana.
  3. Azo atao ny mitady fanampiana amin'ny ireo olona mahay zavatra amin'ny filan'ireo mpino silamo.
  4. Azo atao ny mihetsika kely mandritra ny vavaka soalat raha ilaina.
  5. Azo ataon'ny olona tarihina ny mijery ilay mpitarika mandritra ny vavaka; Mba hianatra aminy fa tsy mifanohitra amin'ny fifantoha izany.

Fanehona ny dikanteny

62 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية