1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يَعْقِدُ الشَّيْطَانُ عَلَى قَافِيَةِ رَأْسِ أَحَدِكُمْ إِذَا هُوَ نَامَ ثَلاَثَ عُقَدٍ يَضْرِبُ كُلَّ عُقْدَةٍ عَلَيْكَ لَيْلٌ طَوِيلٌ، فَارْقُدْ، فَإِنِ اسْتَيْقَظَ فَذَكَرَ اللَّهَ، انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَإِنْ تَوَضَّأَ انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَإِنْ صَلَّى انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَأَصْبَحَ نَشِيطًا طَيِّبَ النَّفْسِ، وَإِلَّا أَصْبَحَ خَبِيثَ النَّفْسِ كَسْلاَنَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria raha mifoha izy ka mahatsiaro an'I Allah dia mivaha ny fatorana iray, ary raha manao ozo izy dia mivaha ny fatotra iray, ary raha mivavaka izy dia mivaha ny fatorana iray, ka lasa mavitrika izy ary mahazo aina tsara, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy sy kamo.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1142

Ny fanazavana

Mitantara ny toe-piainan'i Satana ny Mpaminany (S.A.W) sy ny ady ataony amin'ny olona te hifoha hanao vavaka amin'ny alina na amin'ny maraina.
Rehefa matory ny mpino dia mamatotra fatotra telo amin’ny lohany ny Satana - izany hoe : ny fiafaran'ny lohany.
Raha mifoha ny mpino ka mahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha ary tsy mamaly ny bitsiky ny satana; dia mivaha ny fatorana iray.
Raha manao ozo izy dia mivaha ny fatorana hafa.
Raha mitsangana izy ka mivavaka, dia mivaha ny fatotra fahatelo, ary lasa mavitrika sy tsara fanahy izy. Satria faly amin’ny fankatoavana nomen’I Allah azy izy, ka mifaly amin’izay nampanantenain’I Allah azy ny amin’ny valisoa sy ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fialan'ny fatotry ny satana eo aminy sy ny fampiraiketany azy, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy izy, malahelo am-po, kamo manao asa soa sy marina. Satria voafatotry ny tadin'ny Satana, ary lavitry ny fanantonana an’Ilay Be famindram_po.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Satana dia mikatsaka mandrakariva ny lalana rehetra hidirana amin'ny olombelona; mba hisakanana azy tsy hankatò an’I Allah, ary tsy misy afa-mandositra ny mpanompo amin’i Satana raha tsy amin’ny alàlan’ny fitadiavana vonjy amin’I Allah ilay Tsitoha, sy amin’ny alàlan’ny fomba fisorohana sy fiarovana.
  2. Ny fahatsiarovana an'I Allah sy ny fanompoana Azy dia miteraka fahazotoana ao amin’ny fanahy sy ny fifalian’ny fo, mandroaka ny hakamoana sy ny fahalainana, ary manala ny alahelo sy ny fankahalana. Satria izy io no mandroaka an’i Satana, ary izany dia avy amin’ny fibitsibitsiany.
  3. Ny mpino dia faly amin’ny fanamaivanan’I Allah azy amin’ny fanatanterahana ny fankatoavana , ary ketraka amin'ny fanaovana tsinotsinona ny haavon’ny hatsaran-toetra sy ny fahafenoana.
  4. Ny tsy fitandremana sy ny fijanonana amin’ny fankatoavana dia isany asan’i Satana sy fanaingona ataony.
  5. Ireo zavatra telo ireo - ny fahatsiarovana an'I Allah, ny fanaovana Ozo ary ny vavaka- dia mandroaka an'i Satana.
  6. Ny fatotra ataon’i Satana manokana eo amin'ny fiafaran'ny loha, satria izy io no foiben'ny hery sy sehetra iasany, ka raha fatorany eo aminy izy dia afaka anjakany ny fanahin'ny olona ary afaka ampatoriny.
  7. Nilaza i Ibn Hajar al-Askalani : Nanonona ny alina izy tamin'ny fitenenany hoe : "Aminao ny alina", izay toa manondro manokana ny torimaso amin'ny alina.
  8. Ibn Hajar Al-Askalani dia nilaza hoe : Tsy misy zikr manokana voalaza tsy ampy hisolo ny hafa ankoatrany, fa izay rehetra azo antsoina hoe fahatsiarovana an'I Allah dia ampy, ary ao anatin'izany ny famakiana ny Kor'any, ny famakiana ny hadith-n'ny Mpaminany, ary ny famenoana ny fotoana momba ny fahalalana Islamika, ny zavatra voalohany ho lazaina amin'izany dia ny tenin'ny Mpaminany : Izay voageja amin'ny alina, ka miteny hoe : (Lailaha Illallaho wahdaho la sharika laho, Lahol molko Wa lahol-hamdo wa howa alaa kolli shaiin kadir, Alhamdolillahi, Sobhanallahi, Lailaha ilallaho, Wallaho Akbar, Wa la haola wa laqowwata illa billahi, avy eo miteny hoe : Allahommaghfirli, na manaoa doan dia ho voavaly izy, raha nanao ozo dia hovoray ny vavaka nataony) Boukhari.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية