1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.”

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الْخُدْرِيِّ رَضيَ اللهُ عنهُ أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يَا أَبَا سَعِيدٍ، مَنْ رَضِيَ بِاللهِ رَبًّا، وَبِالْإِسْلَامِ دِينًا، وَبِمُحَمَّدٍ نَبِيًّا، وَجَبَتْ لَهُ الْجَنَّةُ»، فَعَجِبَ لَهَا أَبُو سَعِيدٍ، فَقَالَ: أَعِدْهَا عَلَيَّ يَا رَسُولَ اللهِ، فَفَعَلَ، ثُمَّ قَالَ: «وَأُخْرَى يُرْفَعُ بِهَا الْعَبْدُ مِائَةَ دَرَجَةٍ فِي الْجَنَّةِ، مَا بَيْنَ كُلِّ دَرَجَتَيْنِ كَمَا بَيْنَ السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ»، قَالَ: وَمَا هِيَ يَا رَسُولَ اللهِ؟ قَالَ: «الْجِهَادُ فِي سَبِيلِ اللهِ، الْجِهَادُ فِي سَبِيلِ اللهِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Said Al-Khodri (RA), niteny i Mpaminany (SAW) manao hoe :
“Ry Abo Said, Izay afa-po amin’Allah ho Tompony, sy ny silamo ho finoany, ary i Mohamad ho Mpaminaniny, dia azo antoka ho azy ny Paradisa.” Dia talanjona i Abo Sa’id ka niteny manao hoe : Avereno amiko ry irak’Allah, dia naveriny, avy eo izy niteny hoe : “Ary ny iray hafa izay hampiakarana ny haavon’ny mpanompo ao amin’ny Paradisa ho zato avo heny, ary isaky ny haavony dia mitovy ny elanelan’ny lanitra sy ny tany .” Hoy i Said hoe : Inona izany ry irak’Allah? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Jihad ho an'I Allah, jiady ho an'I Allah."

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1884

Ny fanazavana

Nilaza tamin'i Abo Saeed Al-Khodri ny Mpaminany (S.A.W) fa izay mino an'I Allah ka mankasitraka Azy amin'ny maha-Tompo azy, Andriamanitra, Tompon'ny Tompo, Mpitarika, Ny silamo amin’ny maha-fivavahana azy amin’ny fanekena sy finoana ny didiny sy ny fandrarana rehetra ao aminy, ary i Mohamad (S.A.W) amin’ny maha-mpaminany azy amin’ny zavatra rehetra nirahina sy nampitaina azy; dia hamafisina fa ho azy ny Paradisa, dia talanjona tamin’izany i Abo Saeed (R.A) ka niteny : Avereno amiko fanindroany ry Irak'Allah, dia naveriny, avy eo niteny i Mpaminany hoe : "Manana toetra hafa aho izay hanandratan'I Allah ny mpanompony zato ambaratonga ao amin'ny Paradisa, ary ny elanelana misy eo amin'ny ambaratonga roa dia toy ny elanelan'ny lanitra sy ny tany. Niteny i Abo said : inona izany ry Irak'Allah? Dia namaly izy hoe : Ady masina ho an'I Allah, Ady masina ho an'I Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anisan'ny fepetra takiana amin'ny fidirana ao amin'ny Paradisa ny fahafaham-po amin'I Allah ho Tompo, ary ny silamo ho finoana ary amin'ny maha Mpaminany an'i Mohamad.
  2. Mampiakatra avo ny raharaha momba ny ady masina ho an'I Allah.
  3. Fanandratana ny satan'ny Mpanao ady masina ao amin'ny Paradisa.
  4. Ao amin'ny Paradisa dia misy ambaratonga tsy tambo isaina sy fiantsonana tsy tambo isaina, ary manana ambaratonga zato ny mpanao ady masina.
  5. Fitiavana ireo mpanaradian'ny irak'Allah hahalala ny tsara, ny varavarany sy ny antony.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية