1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.”

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ يَوْمَ خَيْبَرَ:
«لَأُعْطِيَنَّ هَذِهِ الرَّايَةَ رَجُلًا يُحِبُّ اللهَ وَرَسُولَهُ، يَفْتَحُ اللهُ عَلَى يَدَيْهِ» قَالَ عُمَرُ بْنُ الْخَطَّابِ: مَا أَحْبَبْتُ الْإِمَارَةَ إِلَّا يَوْمَئِذٍ، قَالَ فَتَسَاوَرْتُ لَهَا رَجَاءَ أَنْ أُدْعَى لَهَا، قَالَ فَدَعَا رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَلِيَّ بْنَ أَبِي طَالِبٍ، فَأَعْطَاهُ إِيَّاهَا، وَقَالَ: «امْشِ، وَلَا تَلْتَفِتْ، حَتَّى يَفْتَحَ اللهُ عَلَيْكَ» قَالَ فَسَارَ عَلِيٌّ شَيْئًا ثُمَّ وَقَفَ وَلَمْ يَلْتَفِتْ، فَصَرَخَ: يَا رَسُولَ اللهِ، عَلَى مَاذَا أُقَاتِلُ النَّاسَ؟ قَالَ: «قَاتِلْهُمْ حَتَّى يَشْهَدُوا أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ، فَإِذَا فَعَلُوا ذَلِكَ فَقَدْ مَنَعُوا مِنْكَ دِمَاءَهُمْ وَأَمْوَالَهُمْ، إِلَّا بِحَقِّهَا وَحِسَابُهُمْ عَلَى اللهِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny ady masina Khaibar manao hoe :
“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.” Hoy i Omar bin Al-Khattab : “Tsy naniry fitondrana aho afa-tsy tamin’io andro io, hoy izy : Nanantena aho ho voaantso. Niantso an’i Ali bin Abi Talib ny irak’Allah, ary nomeny azy izany dia hoy izy : “Mandehana, ary aza miverina, mandra-panomezan’I Allah fandresena anao". Hoy izy : “Nandeha kely i Ali, dia nijanona ary tsy nihodina, ka niantsoantso hoe : Ry irak’Allah ô, inona no iadianay amin’ny olona? Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy : “Miadia ianareo amin’izy ireo mandra-pijoroan’izy ireo vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha manao izany izy ireo, dia fady aminao ny mandatsa-dràny sy ny fananany ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2405

Ny fanazavana

Nampahafantatra ny mpanaradia ny fandresen'ny mpino silamo nanomboka ny ampitson'iny andro iny amin'ireo jiosy tao Khaybar, tanàna akaikin'i Madina i Mpaminany (S.A.W), ary izany dia tarihin'ny lehilahy iray homeny ny faneva, dia ny saina ampiasain’ny tafika ho marika. Ary ny mampiavaka ity lehilahy ity dia ny fitiavany an’I Allah sy ny Irany ary mitia azy koa Allah sy ny Irany.
Nolazain'i Omar bin Al-Khattab (R.A) fa tsy tia ny fitondrana izy raha tsy tamin'io andro io, ho fanantenana fa izy no nolazain'ny Mpaminany momba ny fitiavan'I Allah sy ny irak'Allah, dia natrakan'i Omar (R.A) ny vatany ho hitan'ny Mpaminany (S.A.W) ary mba hiantsoana azy, ary noho ny fahadodonana sy ny fanantenana handray izany faneva izany.
Niantso an'i Ali bin Abi Talib (R.A) i Mpaminany (S.A.W) ary nomeny azy ny faneva, ary nandidy azy i Mpaminany (S.A.W) hihetsika miaraka amin'ireo tafika ary tsy hiala amin'ny ady rehefa avy nihaona tamin’ny fahavalony tamin’ny fitsaharana mandra-panokafan’I Allah ireo fiarovana ireo ho azy amin’ny fandresena sy ny fahombiazana.
Dia nandeha i Ali (R.A) avy eo dia nijanona, fa tsy niherika mba tsy handikana ny baikon'ny Mpaminany (S.A.W), ka nanandratra ny feony ary niteny hoe : Ry irak'Allah ô, inona no tokony hiadiako amin'ny olona?
Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Miadiva amin’izy ireo mandra-pijoroany ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha mamaly sy miditra amin’ny finoana silamo izy ireo; dia voarara ny fandatsahanao ny ràn'izy ireo sy ny fanànan'izy ireo afa-tsy amin’ny alàlan’ny zo, izany hoe, raha tsy nanao heloka bevava na heloka izay mendrika ny hamonoana azy araka ny lalànan’ny finoana silamo , ary ny fitsarana azy ireo dia eo amin’I Allah.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Nankahala ny fitantanana ireo mpanaradia noho ny andraikitra lehibe naterany.
  2. Azo atao ny mitsinjo sy manantena zavatra izay azo antoka ny hatsarany.
  3. Ny Imam no manome torimarika sy komandin'ny tafika amin'ny fitondran-tena eo amin'ny sehatry ny ady.
  4. Ny fanoloran-tenan'ireo mpanaradia ny irak'Allah amin'ny didiny sy ny fandraisana andraikitra amin'ny fanatanterahana izany.
  5. Izay very hevitra momba ny zavatra nanontaniana azy dia tokony hanontany.
  6. Anisan’ny famantarana ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ny vaovao azony momba ny fandresena ny Jiosy, araka ny fitantarany ny fandresen’i Khaybar, ary araka izay nolazainy.
  7. Mamporisika ny herim-po sy ny fandraisana andraikitra hanao izay nandidian'ny irak'Allah (S.A.W).
  8. Tsy azo atao ny mamono olona izay manonina ny fijoroana ho vavolombelona roa momba ny finoana raha tsy misy heloka ataony ka mila vonoina.
  9. Mihatra amin'izay asehon'ny olona ny didim-pitsaran'ny finoana silamo, ary Allah no mikarakara ny tsiambaratelony.
  10. Ny tanjona lehibe indrindra amin'ny jiady dia ny fidiran'ny olona amin'ny finoana silamo.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية