1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza

عن جندب رضي الله عنه قال:
سَمِعْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَبْلَ أَنْ يَمُوتَ بِخَمْسٍ وَهُوَ يَقُولُ «إِنِّي أَبْرَأُ إِلَى اللهِ أَنْ يَكُونَ لِي مِنْكُمْ خَلِيلٌ فَإِنَّ اللهَ تَعَالَى قَدِ اتَّخَذَنِي خَلِيلًا كَمَا اتَّخَذَ إِبْرَاهِيمَ خَلِيلًا، وَلَوْ كُنْتُ مُتَّخِذًا مِنْ أُمَّتِي خَلِيلًا لَاتَّخَذْتُ أَبَا بَكْرٍ خَلِيلًا! أَلَا وَإِنَّ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ كَانُوا يَتَّخِذُونَ قُبُورَ أَنْبِيَائِهِمْ وَصَالِحِيهِمْ مَسَاجِدَ، أَلَا فَلَا تَتَّخِذُوا الْقُبُورَ مَسَاجِدَ! إِنِّي أَنْهَاكُمْ عَنْ ذَلِكَ».

Tatitra azo avy amin'i JONDOB (R.A), izay niteny hoe :
Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (S.A.W) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka nanao hoe : " Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza , Ka raha afaka nandray Olona natao ho sakaiza Aho amin'ity vahoako ity, dia mety noraisiko i Abo Bakri (R.A) ho sakaiza. Ka dia tena marina fa ireo vahoaka teo alohanareo dia nandray ny fasan'ireo Mpaminanin'izy ireo sy ireo Olona masina tamin'izy ireo ho toeram-pivavahana, ka eto Aho dia tena manakana Anareo ny amin'izany ".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 532

Ny fanazavana

Nolazain'ny Mpaminany (S.A.W) ny anjara-toeram-boninahitra izay misy azy eo anatrehan'i Allah, ary Izy tokoa dia tonga eo amin'ny toerana avo indrindra eny amin'ny faratampon'ny fitiavana, tahaky ny toeram-boninahitra azon'i Mpaminany Abrahama (A.S), Ka izay no nahatonga azy tsy nanaiky afa tsy i Tompo Allah irery ihany no sakaizany, satria ny Fony dia rakotry ny fitiavana an'i Tompo Allah sy ny halebeany ary ny fahalalana momba azy, ka tsy afaka mivelatra ho an'ny Olon-kafa intsony, Ka raha nanana sakaiza amin'ny zavaboarin'i Tompo Allah Izy dia i Abo Bakri (R.A) no mendrika ho lasa sakaizany. Ary nandrara ny fihoaram-pefy ny amin'ny fitiavana mifanohitra amin'ny lalàna tahakan'ny nataon'ireo jiosy sy ny Kristiana amin'ny fanajana ny fasan'ireo Mpaminan'izy ireo sy ireo Olona masin'izy ireo ka nahatonga azy ireo lasa nandray izany ho tompo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanompoana ankoatr'i Tompo Allah, ary nanamboatra toeram-pivavahana eo amin'ny fasan'izy ireo, ka izany rehetra izany dia efa noraran'i Mpaminany (saw) an'ireo vahoakany mba tsy hanao tahaky ny nataon'izy ireny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Nisafidiany manokana i Abo Bakri (R.A), ary Izy ihany koa no Mpiara_diany anisany tena tsara indrindra no sady lohalaharana eo anatrehan'i Mpaminany (S.A.W) aorian'ny fahafatesany.
  2. Ny fanorenana toeram-pivavahana eny amin'ny fasana dia zava-doza nataon'ireo vahoaka teo aloha.
  3. Fandrarana entitra ny fanaovana ny fasana ho toeram-pivavahana ka andia hanaovana ny Soalat na koa hoe andia hanamboarana Moske, ka izany dia fampitandremana mba tsy tafa-latsaka amin'ny fanompoan-tsampy nohon'izany.
  4. Fampitandremana fatratra ny fihoaram-pefy amin'ny fitiavana diso tafahoatra loatra an'ireo Olona masina ka mety lasa hifarana amin'ny fanompoan-tsampy izany.
  5. Mahazava-doza ireo zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (S.A.W), Satria nohamarininy mafy izany 5 alina mialohan'ny hafatesany.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو