1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny fiantsoana sy ny fampatsiahivana

Hadith “Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«إِنَّ الدِّينَ يُسْرٌ، وَلَنْ يُشَادَّ الدِّينَ أَحَدٌ إِلَّا غَلَبَهُ، فَسَدِّدُوا وَقَارِبُوا، وَأَبْشِرُوا، وَاسْتَعِينُوا بِالْغَدْوَةِ وَالرَّوْحَةِ وَشَيْءٍ مِنَ الدُّلْجَةِ».

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Ny finoana dia mora, ary izay manenjana ny finoana dia ho resiny, koa avereno izany, ary manatòna, manaova teny mahafaly, ary mitadiava fanampiana amin’ny maraina sy amin’ny atoandro, ary amin'ny alina".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari Sahìh Al-Bokhari - 39

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny finoana silamo dia mifototra amin'ny fanamorana sy fahatsoarana ny raharaha rehetra, ary manamafy ny fanamorana rehefa misy antony mahatonga ny tsy fahafahana sy ny filana, ary ny fidirana lalina amin'ny asa ara-pinoana sy ny fialana amin’ny fahatsoram-po ny fiafaran'izany dia tsy fahafahana sy ny fampitsaharana ny asa rehetra na ampahany. Avy eo namporisika ny Mpaminany (S.A.W) fanaovana zavatra antoniny tsy misy fanitarana; ka ny mpanompo dia tsy tokony hanao latsaka amin’izay nandidiana azy, ary tsy tokony hizaka izay tsy zakany, ka raha tsy mahavita ny asa feno; dia manao ny asa izay vitany araka izay azo atao.
Nanome vaovao tsara ny Mpaminany (S.A.W) momba ny valisoa lehibe ho an’ny asa maharitra, na dia kely aza izany, ho an’ireo izay tsy afaka miasa amin’ny fomba feno. Satria raha tsy sitram-pony ny tsy fahavitany, dia tsy manery ny fahabangan'ny valisoany izany.
Koa satria ny fiainana eto an-tany raha ny marina dia toerana fandalovana sy fifindrana mankany amin'ny fiainana any ankoatra, nandidy ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fitadiavana vonjy mba hitohizan'ny fanompoam-pivavahana amin'ny fametrahana izany amin'ny fotoana telo :
Ny voalohany : maraina: mandeha amin'ny fiandohan'ny andro; Eo anelanelan'ny vavaka maraina sy ny fiposahan'ny masoandro.
Faharoa : Raoha : fandehana aorian'ny mitataovovonana.
Fahatelo : Ny fahalalahana : fandehanana amin’ny alina manontolo na amin’ny ampahany, ary satria sarotra kokoa noho ny an’ny andro ny asan’ny alina, dia nandidy ny sasany tamin’izany izy ka nanao hoe : ary ny sasany kosa mihalalina.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahamorana sy ny fahatsaran'ny lalàna silamika ary ny fanaovana zavatra amin'ny antonony eo anelanelan'ny tafahoatra sy ny tsy fitandremana.
  2. Ny mpanompo dia tsy maintsy manatanteraka ny raharaha araka izay azony atao, tsy anatin'ny tsy firaharahana na fanenjanana.
  3. Ny mpanompo dia tokony hisafidy ny fotoana mampavitrika azy hanao ny fanompoana, ary ireo fotoana telo ireo no fotoana tsara indrindra anaovan’ny vatana fanompoam-pivavahana.
  4. Nilaza Ibn Hajar Al-Askalani : Toy ny hoe niresaka nito amin’ny toerana halehany ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niteny, ary ireo fotoana telo ireo no fotoana tsara indrindra ho an’ilay mpanao dia lavitra, ka nanaitra azy ny amin’ny fotoan’ny asany, Satria raha mandeha andro aman’alina ilay mpanao dia lavitra, dia tsy hahavita hanao azy ary mitsitapatapaka, ary raha miezaka mandeha amin’ireny fotoana ireny izy, dia ho afaka hanohy tsy misy fahasarotana.
  5. Nilaza Ibn Hajar : Manondro ny amin'ny fakana ny fahazoan-dàlana ara-dalàna silamika no resahina ato amin'ity hadith ity, satria ny fanaovana hentitra be eo amin'ny toeran'ny fanomezan-dàlana amin'ny fanatsorana dia fanivanivana, toy ny olona mamela ny tayammom nefa tsy afaka mampiasa rano izy, ary mitondra loza ho azy ny fampiasana izany.
  6. Ibn al-Monir dia nilaza hoe : Ity hadith ity dia iray amin'ireo famantarana ny faminaniana efa hitanay ary ny olona teo alohanay dia efa nahita fa hofongorana avokoa izay mihoa-pefy amin'ny finoana, ary ny tiana ho lazaina dia ny tsy hisakana ny fiezahana ho tonga lafatra amin'ny fanompoam-pivavahana, satria zavatra mendri-piderana izany, fa ny misoroka ny fihoaram-pefy izay mitarika ho any amin’ny fahasorenana, na ny fihoaram-pefy amin’ny asa an-tsitrapo izay mitarika ho any amin’ny fialana, na ny fanemorana ny vavaka tsy maintsy atao any ivelan’ny fotoanany, toy ny olona nandany ny alina tamin’ny fivavahana alina nefa renoky ny torimaso ka tsy nahavita ny vavaka maraina tany amin'ny moske, na mandra-piposahan’ny masoandro ka nivoaka ny ora tsy maintsy anaovana azy.

Fanehona ny dikanteny

53 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية