عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«كُلُّ سُلاَمَى مِنَ النَّاسِ عَلَيْهِ صَدَقَةٌ، كُلَّ يَوْمٍ تَطْلُعُ فِيهِ الشَّمْسُ يَعْدِلُ بَيْنَ الِاثْنَيْنِ صَدَقَةٌ، وَيُعِينُ الرَّجُلَ عَلَى دَابَّتِهِ فَيَحْمِلُ عَلَيْهَا أَوْ يَرْفَعُ عَلَيْهَا مَتَاعَهُ صَدَقَةٌ، وَالكَلِمَةُ الطَّيِّبَةُ صَدَقَةٌ، وَكُلُّ خُطْوَةٍ يَخْطُوهَا إِلَى الصَّلاَةِ صَدَقَةٌ، وَيُمِيطُ الأَذَى عَنِ الطَّرِيقِ صَدَقَةٌ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
"Isaky ny vanin-taolana eo amin'ny olombelona dia misy fanomezana avokoa, isaky ny miposaka ny masoandro ka nanao fahamarinana eo anatrehan'ny olona roa dia fanomezana, ny fanampiana ny olona amin'ny biby fitaingenany ka mampiakatra na mitondra ny enta-mavesatrany dia fanomezana, ny teny mamy dia fanomezana, ary isaky ny famindra iray atao makany amin'ny moske dia fanomezana, ary fanalana zava-maranitra eny an-dàlana dia fanomezana".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 2989

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpino silamo tsirairay dia manana adidy isan'andro manao asa soa ho fanomezana an-tsitrapo amin'ny alalan'ny tsirairay amin'ireo vanin-taolany ho fankasitrahana an'i Allah amin'ny fahasalamany, sy ny nanaovany vanin-taolana eo amin'ny taolany mba ahafahany milefitra sy miampatra. Ary io fanomezana io dia mitatra amin'ny asa soa rehetra fa tsy mitsahatra amin'ny fanolorana vola ihany, ka anisan'izany ny : Ny rariny atao sy ny fampihavanana eo amin'ny olona roa mitady dia fanomezana. Ary ny fanampianao ny olona malemy hitaingina ny bibiny na mampiakatra ny entany dia fanomezana izany. Ary ny teny mamy, toy ny fahatsiarovana an'i Allah, ny fitalahoana, ny fiarahabana, sy ny sisa dia fanomezana. Ny dingana rehetra atao mankany amin'ny soalat dia fanomezana. Ary ny fanalana izay manimba na mandratra eny an-dàlana dia fanomezana.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny firafitry ny taolan'olombelona sy ny fahasalamany dia iray amin’ireo fahasoavana lehibe indrindra avy amin’I Allah Ilay Tsitoha, ka isaky ny taolana tsirairay dia tokony hamoahana fanomezana avokoa, amin'ny anarany manokana mba ho tontosa ny fankasitrahana amin'izany fahasoavana izany.
  2. Famporisihana hanavao ny fankasitrahana isan'andro mba ho fitohizan'ireo fahasoavana ireo.
  3. Famporisihana amin'ny fanohizana ny asa an-tsitrapo sy fanomezana isan'andro.
  4. Ny hatsaran'ny fampihavanana eo amin'ny olombelona.
  5. Mamporisika ny olona mba hanampy ny rahalahiny; Satria ny fanampiany azy dia fanomezana.
  6. Famporisihana ny olona hanatrika ny vavaka iombonana amin'ny alalan'ny dia tongotra, sy ny famelomana ny moske amin'ny alalan'izany.
  7. Voadidy ny fanajana ny làlan'ny mpino silamo amin'ny fanesorana izay rehetra manimba na mandratra azy ireo.

Fanehona ny dikanteny

62 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو