1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana

عن أبي سعيد الخُدْريِّ رضي الله عنه قال: سمعت رسول الله صلى الله عليه وسلم يقول:
«‌مَنْ ‌رَأَى ‌مِنْكُمْ ‌مُنْكَرًا فَلْيُغَيِّرْهُ بِيَدِهِ، فَإِنْ لَمْ يَسْتَطِعْ فَبِلِسَانِهِ، فَإِنْ لَمْ يَسْتَطِعْ فَبِقَلْبِهِ، وَذَلِكَ أَضْعَفُ الْإِيمَانِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ilay Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe :
" Na iza na iza eo Aminareo mahita zava-dratsy manadalo sy miseho, dia aoka Izy hanala sy hanova izany amin’ny Tànany, fa raha tsy vitany kosa ny hanova izany dia aoka hataony amin’ny Lelany, ary raha mbola tsy vitany ihany koa dia aoka hataony amin’ny Fony izany fanobana izany, ary izany no tena malemy sy ambany indrindra eo amin’ny Finoana ".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 49

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.W.A) dia mandidy Atsika amin'ny fanovana ny faharatsiana - ka izany dia izay rehetra noraran'i Allah sy ny Irany - arak'izay fahafahana vitany. Ka izay rehetra mahita ny faharatsiana dia tsy maintsy manova izany amin'ny tànana Izy raha toa ka manampahefana ny amin'izany. Raha tsy afaka manao an'izany izy dia aoka ary ny mba hanova izany amin’ny alalan'ny Lelany, izaby hoe : amin’ny alàlan'ny fandrarana sy fisakanana an'ireo Mpanao ny ratsy sy fanazavana Aminy an'ireo loza mety hanjo azy, ary ny mba mitarika Azy ho any amin’ny tsara ka hiala amin’izao faharatsiana izao. Fa raha mbola tsy vitany ihany koa ilay ambaratonga voalaza io dia aoka izy hanova izany ao Am-pony amin'ny alalan'ny fankahalana izany faharatsiana izany ary hanapa-kevitra fa raha mahavita manova izany Izy dia hanao izany fanovana izany tokoa. Ary ny fanovana amin'ny alàlan'ny fo no fari-pinoana malemy sy ambany indrindra amin'ny fanovana manoloana ny ratsy rehetra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Hadith no loharano amin'ny fanazavana ireo ambaratonga amin'ny fanovana ny ratsy rehetra.
  2. Ny didy fandrarana ny amin'ny ratsy dia mandeha tsikelikely amin'ny ambaratonga maro samy hafa, ka izany dia arakarak'izay vitany sy ny fahefany.
  3. Ny fanakanana sy fandrarana ny amin'ny ratsy dia zava-dehibe tokoa eo amin’ny finoana Islam, ary tena tsy misy afa-miala amin'izany ny tsirairay, ary ny Mpino Isilamo tsirairay avokoa dia voadidy ho amin’izany arakarakin'ny fahefana izay hananany.
  4. Ny famporisiana amin'ny fanaovana ny tsara rehetra sy ny fandrarana ny amin'ny fanaovana ny ratsy dia tena anisany toetra mampiavaka tanteraka ny finoana, ary ny finoana dia mety mitombo sy mety mihena ihany koa indraindray.
  5. Takina ny fepetra amin'ny fandrarana ny ratsy dia : Ny fahalalana fa io fihetsika izay volaza eo io dia tena ratsy tokoa.
  6. Fepetra takina amin'ny fanovana ny ratsy : Dia tsy mila miteraka ny ratsy lehibe noho ilay izay norarany teo aloha.
  7. Eo amin'ny fandrarana ny ratsy dia misy ireo fomba sy fepetra izay tena tokony sy tsy maintsy amin'ny Mpino mpanaraka ny Finoana Isilamo ny mianatra azy.
  8. Ny fandrarana sy fisakanana ny ratsy dia mitaky politika ara-pinoana sy ara-dalàna, ary fahalalana ary fahatakarana lalina ny zava-mitranga.
  9. Fa ny tsy fahankalana ny ratsy ao Am-po dia mariky ny fahalemen'ny Finoana.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو