1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina

عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ:
حَدَّثَنَا رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَهُوَ الصَّادِقُ المَصْدُوقُ: «أَنَّ خَلْقَ أَحَدِكُمْ يُجْمَعُ فِي بَطْنِ أُمِّهِ أَرْبَعِينَ يَوْمًا وَأَرْبَعِينَ لَيْلَةً، ثُمَّ يَكُونُ عَلَقَةً مِثْلَهُ، ثُمَّ يَكُونُ مُضْغَةً مِثْلَهُ، ثُمَّ يُبْعَثُ إِلَيْهِ المَلَكُ، فَيُؤْذَنُ بِأَرْبَعِ كَلِمَاتٍ، فَيَكْتُبُ: رِزْقَهُ وَأَجَلَهُ وَعَمَلَهُ وَشَقِيٌّ أَمْ سَعِيدٌ، ثُمَّ يَنْفُخُ فِيهِ الرُّوحَ، فَإِنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ الجَنَّةِ حَتَّى لاَ يَكُونُ بَيْنَهَا وَبَيْنَهُ إِلَّا ذِرَاعٌ، فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ، فَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ فَيَدْخُلُ النَّارَ، وَإِنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ حَتَّى مَا يَكُونُ بَيْنَهَا وَبَيْنَهُ إِلَّا ذِرَاعٌ، فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ، فَيَعْمَلُ عَمَلَ أَهْلِ الجَنَّةِ فَيَدْخُلُهَا».

Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Massoud (R.A) :
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 7454

Ny fanazavana

Niteny i Ibn Massoud (R.A) fa hoe : Niresaka taminay ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.A.W) ary Izy tokoa no ilay marina mahafatoky amin'ny Teny rehetra izay nolazainy, ary tena azo itokisana Satria i Tompo Allah ilay avo Tsitoha efa nahatoky Azy. Hoy Izy (S.A.W) hoe : Marina tokoa fa ny iray Aminareo dia atambatra sy avory ny fomba izay nohariana Azy, ary izany dia Satria raha misy lehilahy manao firaisana ara-nofo amin'ny vadiny, dia angonina ao an-kibon'ilay vehivavy mandritra ny Efapolo Andro ny tsirinainy ary mijano ho tsirinaina ihany izany. Avy eo lasa vaingan-drà izay mafy sy mahery, izany dia ao anaty Efapolo Andro faha-roa, Avy eo lasa nofonkena izay mitovy amin'ny halebean'ny vongan-kena mety ho tsakona, ary izany dia amin'ny Efapolo faha-telo, Ary i Allah naniraka ny Anjely hankeo aminy, ary Izy nitsoka fanahy tao anatiny, rehefa tapitra ny efa-polo andro faha-telo. Nasaina nanoratra teny Efatra ny Anjely : Ny anjarampivelomany, dia ny habetsahan’ny fahasoavana ho azony mandritra ny androm-piainany. Sy ny fe-potoanany, izany dia fe-potoana izay hiainany eto an-tany, Ary ny asany, inona izany? ho sahirana na koa ho sambatra. Avy eo dia nifanta sy nianiana i Mpaminany (S.A.W) fa misy olona mety miasa sy manao ny Asan'ireo vahoaka mponinan'ny Paradisa ary izany asa ataony izany dia Asa marina, izany hoe : amin'ny arakan'ny zavatra sy fomba ahitan'ny olona Azy, ​​ary hitoetra ho toy izany Izy mandra-pahatongavan'ny fotoana manelanelana Azy sy ny Paradisa toy ny sandry iray, izany hoe : ny sisa tavela teo anelanelany sy ny Paradisa dia ny halavan’ny sandry teo Aminy ka nahatratra Azy ny lahatra izay efa vosoratra ao amin'ny Bokiny dia lasa manatanteraka ireo Asa ratsy amin'ny Asan'ireo vahoakan'ny mponin'ny Afobe ka hofaranana any amin'ny izany Izy dia ahiditra ao amin'ny Afobe; Satria ny fepetra handraisana ny asa soa dia ny fijanonana Aminy fa tsy mivadika, ary sasany kosa dia manao ny Asan'ireo Olon'ny Afobe ka rehefa manakaiky ny hiditra ao Aminy, ny manelanelana Azy sy ny Afobe dia tahaka ny manelanelan'ny ratsan-tanana sy ny kiho, dia handresy azy ny Bokiny sy izay nalahatra ho Azy dia manao Asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy ka dia ahiditra any amin'ny Paradisa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fihafaran'ny raharaha dia miankina amin'ny lahatra izay nandaharany Tompo Allah Azy sy nandaminana Azy.
  2. Fampitandremana fatratra mba tsy ho voafitaka eo amin'ny sarisarin'asa. Satria ny Asa dia mifototra amin'ny fiafaran'izy ireo ihany.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو