1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany

عَنْ ‌أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِعَمِّهِ: «قُلْ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، أَشْهَدُ لَكَ بِهَا يَوْمَ الْقِيَامَةِ»، قَالَ: لَوْلَا أَنْ تُعَيِّرَنِي قُرَيْشٌ، يَقُولُونَ: إِنَّمَا حَمَلَهُ عَلَى ذَلِكَ الْجَزَعُ لَأَقْرَرْتُ بِهَا عَيْنَكَ. فَأَنْزَلَ اللهُ: {إِنَّكَ لا تَهْدِي مَنْ أَحْبَبْتَ وَلَكِنَّ اللهَ يَهْدِي مَنْ يَشَاءُ } [القصص: 56].

Tatitra azo avy amin'i Abou Horairah (R.A) Niteny Izy ka nanao hoe :
Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.A.W) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 25

Ny fanazavana

Niangavy an'ny dadatoany i Mpaminany (S.A.W) teo ampialan'aina mba hiteny an'ilay Teny hoe : Là ilàha illalloahou mba ahafahany hanelanelana Azy amin'ny Andro farany, ary ny mba hijorony vavolom-belona amin'ny finoana Islamo, nefa dia tsy nanaiky hijoro vavolom-belona Izy noho ny tahotra amin'ireo teny ratsy izay mety ho lazain'ireo foko sy firazanana Kouraishita ka mety hiteny Aminy izy ireo hanao hoe : Niditra Islam Izy nohon'ny tahotra amin'ny fahafatesana sy ny fahalemena fotsiny ! Ka Nilaza taminy i Mpaminany (S.A.W) : Raha tsy izany dia nampidiriko hafaliana tao Am-ponao amin'ny fitenenako ny Teny fijorona vavolom-belona ary ny tanjona izay tianao dia nomeko Anao, Nampidinin'i Tompo Allah ny andininy Soratra masina milaza fa tsy manam-pahefana amin'ny fampahitsiana Olona na dia iray aza ato amin'ny finoana Islam i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah irery ihany no manana fahefana ny amin'ny fampahitsiana ny Olona, fa ny an'ny Mpaminany (S.W.A) dia manoro amin'ny toro-làlana sy hitsin-dàlana sy fampielezana amin'ny làlana mahitsy ihany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny marina sy ny fahamarinana dia tsy azo avela noho ny avy amin'ny fahatahorana ny resaka izay mety lazain’ny olona.
  2. Ny Mpaminany (S.A.W) dia manana fahafahana afaka manoro làlana mahitsy sy fitaritana ny Olona ho amin'izany fa tsy manana alalana ny hanome Olona ny fahitsina avy hatrany eo amin'ny finoana.
  3. Azo atao ny manao fitsidihana an'irei izay tsy mpino rehefa marary mba hiantsoana azy hanaraka ny finoana Islam.
  4. Fifikiran'ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fampielezana sy fiantsoana ny olona ho any amin'ny lalan'i Allah amin'ny endrika sy fomba rehetra.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو