1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'i Allah

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُمَا قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِمُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ، حِينَ بَعَثَهُ إِلَى الْيَمَنِ: «إِنَّكَ سَتَأْتِي قَوْمًا أَهْلَ كِتَابٍ، فَإِذَا جِئْتَهُمْ فَادْعُهُمْ إِلَى أَنْ يَشْهَدُوا أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَنَّ مُحَمَّدًا رَسُولُ اللهِ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ اللهَ قَدْ فَرَضَ عَلَيْهِمْ خَمْسَ صَلَوَاتٍ فِي كُلِّ يَوْمٍ وَلَيْلَةٍ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَأَخْبِرْهُمْ أَنَّ اللهَ قَدْ فَرَضَ عَلَيْهِمْ صَدَقَةً تُؤْخَذُ مِنْ أَغْنِيَائِهِمْ فَتُرَدُّ عَلَى فُقَرَائِهِمْ، فَإِنْ هُمْ أَطَاعُوا لَكَ بِذَلِكَ، فَإِيَّاكَ وَكَرَائِمَ أَمْوَالِهِمْ، وَاتَّقِ دَعْوَةَ الْمَظْلُومِ، فَإِنَّهُ لَيْسَ بَيْنَهُ وَبَيْنَ اللهِ حِجَابٌ».

Tatitra azo avy amin'i IBN ABBAS (R.A), niteny ka nanao hoe :
Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'i Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa i Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 1496

Ny fanazavana

Rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy i Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'i Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'i Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokanana ny fanompoana ho an'I Allah irery ihany, ary fanambelana ireo fanompoana hafa ankoatra izany.
  2. Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokananao ny fanompoana ho an'i Allah irery ihany, ary fanambelanao fanompoana hafa ankoatray.
  3. Ny firesahana amin'ny olona manam-pahalalana dia tsy mitovy amin'ny olona tsy manam-pahalalana; izany no nahatonga an'ny Mpaminany (S.A.W) nilaza mialoha an'i Moaz hoe : "Hihaona amin'ny vahoaka olon'ny boky ianao".
  4. Maha zava_dehibe ny fahaizan'ny mpino ny finoany, mba hialany amin'ireo fanosora-potaka ataon'ny mpanaratsy, ka izany azo avy amin'ny fitadiavana ny fahalalana.
  5. Tsy manan-kery intsony ny finoan'ireo jiosy sy ny Kristiana aorin'ny fahatongavan'ny Mpaminany (S.A.W), ary izy ireo dia tsy isan'ireo olona avotra amin'ny andro fitsarana raha tsy miditra ao amin'ny finoana silamo, sy mino an'ny Mpaminany (S.A.W).

Fanehona ny dikanteny

69 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو