1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنْ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ سَبَّحَ اللهَ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ ثَلَاثًا وَثَلَاثِينَ، وَحَمِدَ اللهَ ثَلَاثًا وَثَلَاثِينَ، وَكَبَّرَ اللهَ ثَلَاثًا وَثَلَاثِينَ، فَتْلِكَ تِسْعَةٌ وَتِسْعُونَ، وَقَالَ: تَمَامَ الْمِائَةِ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ غُفِرَتْ خَطَايَاهُ وَإِنْ كَانَتْ مِثْلَ زَبَدِ الْبَحْرِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ilay Irak'Allah (S.W.A) manao hoe :
“Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 597

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny aorian'ny vavaka dimy isan'andro hoe :
In-telo amby telopolo : “Sobhanallah - Dera ho an’i Allah”, izany dia fanalavirana an'I Allah amin'ny tsy fahampiana rehetra.
Telo amby telopolo : “Alhamdoulillahi - Fisaorana anie an'i Allah”, izany hoe midera Azy amin’ny toetrany tonga lafatra miaraka amin'ny fitiavana sy fanomezam-boninahitra Azy.
Ary ny telo amby telopolo : “Allaho Akbar" -tena lehibe tokoa Allah- izany hoe lehibe sy be voninahitra noho ny zava-drehetra Allah.
Ary famenoana ny isa zato amin'ny teny hoe : "Lailaha Illaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir", izay midika hoe : Tsy misy tompo marina hivavahana afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona Aminy, ary Izy no manana ny fanjakana feno, ary mendrika ny fiderana sy voninahitra miaraka amin’ny fitiavana sy fanamboniana izay tsy itambarany amin'ny hafa, ary Izy no Mahefa tsy misy izay tsy vitany.
Izay miteny an'izany, dia ho voafafa sy ho voavela ny helony, na dia betsaka aza, toy ny rotra fotsifotsy izay miakatra eny ambonin’ny ranomasina rehefa manonja sy miakatra.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny mamaky io tonom-bavaka io aorian'ny vavaka dimy isan'andro.
  2. Ity tonom- bavaka ity dia antony hamelana ny fahotana.
  3. Lehibe ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny famelan-keloka avy amin’I Allah Ilay Tsitoha.
  4. Ity tonom-bavaka ity dia anton'ny famelana ny fahotana, ary ny tiana ho lazaina dia ny hoe : fanafoanana ny ota madinika, fa ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy misy afaka manafoana izany afa-tsy ny fibebahana.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية