1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat

عَنْ ‌أَبِي الزُّبَيْرِ قَالَ:
كَانَ ‌ابْنُ الزُّبَيْرِ يَقُولُ فِي دُبُرِ كُلِّ صَلَاةٍ حِينَ يُسَلِّمُ: «لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، لَا حَوْلَ وَلَا قُوَّةَ إِلَّا بِاللهِ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، ‌وَلَا ‌نَعْبُدُ ‌إِلَّا إِيَّاهُ، لَهُ النِّعْمَةُ وَلَهُ الْفَضْلُ وَلَهُ الثَّنَاءُ الْحَسَنُ، لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ مُخْلِصِينَ لَهُ الدِّينَ وَلَوْ كَرِهَ الْكَافِرُونَ» وَقَالَ: «كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يُهَلِّلُ بِهِنَّ دُبُرَ كُلِّ صَلَاةٍ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Zoubair niteny manao hoe :
Matetika i Ibn Zobair rehefa mamarana Swalat ataony dia miteny hoe : " Là ilàha illal-loàhou wahdahòu Là Sharìka-laho lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìr, là hawla walà qowwata illà billàhy, Là ilàha illal-làhou walà na'bodou illà iyyàhou, lahon-ni'mat wa lahol-fahdlou wa laht-thanàol-hasan, Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna walao karihal-kàfiròna " ary miteny koa izy hoe : " irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat ".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 594

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.A.W) dia mamerimberina io tonombavaka io aorian'ny famaranany ireo Swalat tsy maintsy atao, ary ny dikany dia :
"Là ilàha illàl-làho" : izay midika hoe : Tsy misy Tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany.
"Wahdahou La charika lahou" : Tsy misy mpikambana Aminy amin'ny maha Zanahary Azy sy ny maha Mpiahy Azy na eo amin'ireo Anarany sy ny Lazany izany.
"Lahoul-moulk = Azy avokoa ny fanjakàna " izany hoe : Azy ny fanjakàna rehetra amin'ny endrika feno izay midadasika manenika ny lanitra sy ny tany ary manelanelana azy roa.
"wa lahol-hamdou" izany hoe : Izy no manana lazan'ny fahafenoana tsy mana-petra, deraina amin’ny fahatanterahana noho ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toe-javatra rehetra, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy.
"wa howa an'là kolly Shayin-qadìr" : Feno dia feno ny heriny amin’ny lafiny rehetra. Ary tsy misy ny tsy vitany, ary tsy misy ny tsy hainy.
"Là hawla walà qowwata illà billàhy" izany hoe : Tsy misy fiovana avy amin’ny toe-javatra iray ho amin’ny iray hafa, na amin’ny tsy fankatoavana an’Allah, ho amin’ny fikomiana Azy. Tsy misy hery afa-tsy amin’Allah, satria Izy no Mpanampy ary any aminy ny finoantsika.
"Là ilàha illallahou walà na'bodo illà iyyàhou" : Fanamafisana ny dikan’ny maha-tompo Zanahary azy sy ny fandavana ny fanompoan-tsampy, ary tsy misy mendrika hivavahana afa-tsy Izy Allah.
"Lahoun-ni'mat wa lahoul-fahdlou" : Izy no Nahary ny fahasoavana ary manana, ary Izy no misafidy izay tiany omena izany fahasoavana izany amin'ireo Mpanompony.
"wa lahout-thanàol-hasan - Ary Azy ny fiderana tsara”: ho an’ny tenany, ny toetrany, ny asany, ny fahasoavany, ary amin’ny toe-javatra rehetra.
"Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna" : izany hoe : Manokana azy amin'ny fanompoana, tsy misy fireharehana na laza tsara amin’ny fankatoavana an’Allah.
"Walao karihal-kàfiròna - Na dia halan’ny tsy mpino aza izany”, izany hoe : Miorim-paka amin’ny finoana an’Allah sy ny fanompoam-pivavahana Aminy, na dia mankahala azy ireo aza ny tsy mpino.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny fanaovana sy fifikirana amin'ity tonombavaka ity isaky ny avy mivavaka in-dimy isanandro.
  2. Ny silamo dia mitazona tsara sy mirehareha amin'ny fivavahany ary manao ny fombafombany rehetra, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.
  3. Rehefa hita amin'ny Hadith ny Teny hoe : "aorian'ny Soalat", rehefa tsy hita eo Aminy ny hoe Zikyr dia midika fa aorian'ny Salam, raha Doa'n kosa dia alohan'ny Salam.

Fanehona ny dikanteny

64 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية