1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy

عَنْ عَلِيٍّ رضي الله عنه قَالَ:
كُنْتُ رَجُلًا مَذَّاءً وَكُنْتُ أَسْتَحْيِي أَنْ أَسْأَلَ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِمَكَانِ ابْنَتِهِ فَأَمَرْتُ الْمِقْدَادَ بْنَ الْأَسْوَدِ فَسَأَلَهُ فَقَالَ: «يَغْسِلُ ذَكَرَهُ وَيَتَوَضَّأُ». وَلِلبُخَاريِّ: فَقَالَ: «تَوَضَّأْ وَاغْسِلْ ذَكَرَكَ».

Tatitra azo avy amin'i Ali (R.A) niteny manao hoe :
Izaho dia lehilahy mora ivoahan'ny "Madhi" (tsiranoka amin'ny filahiana) ary menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) noho izaho manambady ny zanany vavy ka naniraka an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany azy aho, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) namaly hoe : "Sasany ny henatrany avy eo dia manao ozò izy". Amin'ny Bokhari kosa dia: Niteny ny Mpaminany (S.A.W) hoe : "Manaova ouzò ary sasao ny henatrao".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 303

Ny fanazavana

Nilaza i Ali Ibn Abi Tàlib (R.A) fa izy dia be Madhi - izy io dia ranon-javatra fotsy madity izay mivoaka amin'ny filahina rehefa te hanao filana na mialohan'ny firaisana-, Ary tsy fantany ny tokony hataony rehefa mivoaka aminy io zavatra io, ka menatra ny hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) izy, noho izy vadin'i Fatima zanakavavin'ny Mpaminany (S.A.W), Dia niangavy an'i Miqdad Ibn Al-Aswad hanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba izany, Dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) : mba hanasa ny henatrany avy eo dia manao ozò fotsiny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Anjara-toeran'Ali Ibn Abi Tàlib (R.A), satria tsy nanakana azy hanontany ny fahamenarana tamin'ny alalan'ny fandefasana olon-kafa.
  2. Azo atao ny mandefa solon-tena amin'ny fanontaniana zavatra.
  3. Azon'ny olona atao ny milaza zavatra momba ny tenany izay mahamenatra azy noho ny tombontsoa.
  4. Ny fahalotoan'ny Madhi, ary ny tsy maintsy hanasana izany eo amin'ny vatana sy ny lamba.
  5. Ny fivoahan'ny madhi dia isan'ireo zavatra manapaka ouzò.
  6. Tsy maintsy sasana ny filahiana sy ny voany roa, araka ny voalaza ao amin’ny hadith hafa.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية