1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith “Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”

عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيِّ رضي الله عنه أَنَّهُ سَمِعَ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«إِذَا رَأَى أَحَدُكُمُ الرُّؤْيَا يُحِبُّهَا فَإِنَّهَا مِنَ اللَّهِ، فَلْيَحْمَدِ اللَّهَ عَلَيْهَا وَلْيُحَدِّثْ بِهَا، وَإِذَا رَأَى غَيْرَ ذَلِكَ مِمَّا يَكْرَهُ، فَإِنَّمَا هِيَ مِنَ الشَّيْطَانِ، فَلْيَسْتَعِذْ مِنْ شَرِّهَا، وَلاَ يَذْكُرْهَا لِأَحَدٍ، فَإِنَّهَا لَنْ تَضُرَّهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe :
“Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari Sahìh Al-Bokhari - 7045

Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny nofy tsara sy mahafaly amin'ny torimaso dia avy amin'I Allah, ary nanoro hevitra izy mba hisaotra an'I Allah noho izany, ary hampahafantatra izany, ary raha hitany izay halany sy mampalahelo dia avy amin'i Satana izany. Koa aoka izy hitady fiarovana amin’I Allah amin’ny faharatsiany, ary aza milaza izany amin’iza na iza. Tsy hanisy ratsy azy izany, satria nataon’I Allah ho fiarovana amin’ny loza ateraky ny nofy ilay voalaza.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Sokajin'ny nofy : 1-Nofy tsara, izy io dia fahitana marina sy vaovao mahafaly avy amin'I Allah izay hitany na aseho aminy, 2- Bitsibitsiky ny tena, izay lazain'ny olona amin'ny tenany eo am-pifohazana, 3-Alahelo sy fampitahoran'i Satana sy ny fanelingelenany mba hampahory ny zanak’i Adama.
  2. Ny voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy tsara dia zavatra telo : Ny misaotra an'I Allah noho izany, ny mifaly amin'izany, ary ny miresaka izany fa amin'izay olona tiany fa tsy amin'izay mankahala azy.
  3. Ny voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy ratsy dia dimy : Ny fangatahana fiarovany amin'I Allah amin'ny faharatsiany sy ny faharatsian'i Satana, ary ny mandrora intelo rehefa nifoha avy natory ho amin'ny ilany ankavia, ary tsy milaza na amin'iza na amin'iza, ary raha te hiverina amin'ny torimasony izy, dia mivadika amin'ny ilany; ka tsy nahavita ratsy azy izany.
  4. Hoy i Ibn Hajar : Ny fahendrena ao ambadik'izany dia ny hoe raha mitantara nofy tsara amin'ny olona tsy tiany izy dia mety handika izany ho azy amin'ny fomba tsy tiany, na noho ny fankahalana na ny fitsiriritana na fialonana, ka mety ho tanteraka aminy izany na koa lasa alahelo mialoha ilay nanofy, ka izay no antony hamelana ny fitantarana azy amin'ny olona tsy tiany.
  5. Fisaorana no avaly raha sendra fahasoavana sy fanavaozana fitahina, satria izany no antony hitohizan’izany.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية