1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
كُنَّا مَعَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، إِذْ سَمِعَ وَجْبَةً، فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «تَدْرُونَ مَا هَذَا؟» قَالَ: قُلْنَا: اللهُ وَرَسُولُهُ أَعْلَمُ، قَالَ: «هَذَا حَجَرٌ رُمِيَ بِهِ فِي النَّارِ مُنْذُ سَبْعِينَ خَرِيفًا، فَهُوَ يَهْوِي فِي النَّارِ الْآنَ حَتَّى انْتَهَى إِلَى قَعْرِهَا».

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy manao hoe :
Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 2844

Ny fanazavana

Nandre feo manelingelina toy ny fianjeran’ny vatan-javatra ny Mpaminany (S.A.W), ka nanontany ny iray tamin’ireo mpiara-dia aminy momba izany feo izany, ka hoy izy ireo : Allah sy ny irak’Allah no tena mahalala tsara.
Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Izany feo renareo izany dia vato nazera avy tany amin'ny sisin'ny afobe, fitopolo taona lasa izay, ary efa nianjera sy nivarina tao aminy mandra-pahatongany ambany indrindra amin'izao fotoana nandrenesanareo ny feo izao.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana hiomana amin’ny andro farany amin’ny fanaovana asa soa, sy ny fampitandremana ny amin’ny Afobe.
  2. Tsara ny manankina fahalalana amin'i Allah momba izay zavatra tsy ananan'ny zanak'olombelona fahalalana.
  3. Amporisihina ny mpampianatra amin'ny fampifantohana sy fanairana mialohan'ny fanazavana; mba ho antony hahazoana kokoa.

Fanehona ny dikanteny

52 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية