1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«‌إِنَّ ‌أَثْقَلَ صَلَاةٍ عَلَى الْمُنَافِقِينَ صَلَاةُ الْعِشَاءِ وَصَلَاةُ الْفَجْرِ، وَلَوْ يَعْلَمُونَ مَا فِيهِمَا لَأَتَوْهُمَا وَلَوْ حَبْوًا، وَلَقَدْ هَمَمْتُ أَنْ آمُرَ بِالصَّلَاةِ فَتُقَامَ، ثُمَّ آمُرَ رَجُلًا فَيُصَلِّيَ بِالنَّاسِ، ثُمَّ أَنْطَلِقَ مَعِي بِرِجَالٍ مَعَهُمْ حُزَمٌ مِنْ حَطَبٍ إِلَى قَوْمٍ لَا يَشْهَدُونَ الصَّلَاةَ، فَأُحَرِّقَ عَلَيْهِمْ بُيُوتَهُمْ بِالنَّارِ».

Tatitra azo avy amin'i Abou Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 651

Ny fanazavana

Manambara ny Mpaminany (S.A.W) ny momba ireo mpihatsaravelatsihy sy ny hakamoan'izy ireo amin'ny fanatrehana ny soalat, indrindra ny Icha sy ny Fajri, ary raha fantany ny habetsaky ny valisoa sy ny vokatsoa amin'ny fanatrehana azy ireo miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo, dia ho nanatrika izany izy ireo na dia nandady aza toy ny zaza mandady eo amin’ny tànany sy ny lohaliny.
Nanapa-kevitra ny Mpaminany (S.A.W) ny hanao ny soalat, ary hanendry lehilahy iray hitarika ny olona eo amin'ny toerany, ary avy eo dia handeha hiaraka aminy ireo olona mitondra amboara kitay ho any amin'ny olona tsy manatrika ny vavaky amin'ny moske, ary hodorany amin'ny afo ny tranon'izy ireo; Noho ny hamafin'ny fahotana izay nataony tamin'izany lafiny izany, - nefa tsy nanao izany izy - noho ny vehivavy sy ny zaza tsy manan-tsiny ary ny hafa izay afa-tsiny sy tsy manan-tsiny tao an-tokantrano.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny loza ateraky ny tsy fanatrehana ny soalat miaraka amin'ny vondron'ny mpino silamo (djamant) any amin'ny moske.
  2. Ireo mpihatsaravelatsihy dia tsy mikasa ny hanao fanompoana afa-tsy noho ny fireharehana sy ny laza, ka tsy tonga mivavaka izy ireo raha tsy rehefa hitan’ny olona.
  3. Lehibe ny valisoa ho an’ny vavaka Isha sy Fajr miaraka amin’ny maro, ary mendrika ny hanaovana izany na dia mandady aza.
  4. Fifikirana ny vavaka Icha sy Fajri mba mba ho fiaro amin’ny fihatsarambelatsihy, ary ny tsy firaharahana izany dia anisan’ny toetran’ny mpihatsaravelatsihy.

Fanehona ny dikanteny

60 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية