1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لاَ عَدْوَى وَلاَ طِيَرَةَ، وَلاَ هَامَةَ وَلاَ صَفَرَ، وَفِرَّ مِنَ المَجْذُومِ كَمَا تَفِرُّ مِنَ الأَسَدِ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 5707

Ny fanazavana

Nanazava ny ampahany tamin'ireo zavatra talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W), ho fampitandremana amin'izy ireo, ary ho fanazavana fa eo am-pelatanan'Allah ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra mitranga afa-tsy didy avy Aminy fatrany, izany dia ny :
Voalohany : Nino ny olona talohan'ny finoana Islam fa mifindra ho azy ny aretina; Noho izany dia nandrara ny mpaminany (S.A.W) ny finoana fa ny aretina dia mifindra ho azy avy amin'ny marary makany amin'ny olona hafa; Allah no mpandrindra izao tontolo izao; Izy no mampidina ny aretina sy manala izany, ary tsy tanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’ny sitrapony sy ny lahatra avy Aminy.
Faharoa : Raha hivoaka hivezivezy na hanao varotra ny olona talohan’ny Islamo, dia mandroaka ny vorona izy ireo, ka raha manidina miankavanana ilay vorona, dia manantena fahasoavana amin'izany izy ireo, ary raha manidina miankavia kosa dia mihevitra izy ireo fa loza izany ka mijanona, ka noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) io fisalasalana momba ny vorona io, ary nasehony mazava fa finoana diso izany.
Fahatelo : Miteny ny olona talohan'ny silamo hoe : Raha misy vorondolo milatsaka amin'ny trano iray, dia hisy loza hanjo ny olona ao aminy. Noho izany, noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) finoam-poana amin'izany.
Fahefatra : Voarara ny finoanoan-dratsy momba ny volana "safar", izay volana faharoa amin'ny tetiandro amin'ny volana Nolazaina fa ny safar dia : bibilava ao amin'ny vavony izay mamindra amin'ny biby fiompy sy ny olona, ​​ka hoy izy ireo fa mifindra kokoa izany noho ny habokana; Nolavin'ny Mpaminany (S.A.W) izany finoana diso izany.
Fahadimy : Nandidy izy mba hanalavirana ny olona voan’ny habokana toy ny fanalavirana ny liona, Izany dia ny fahamailona sy fitadiavana fiarovana sy fandraisana ireo fomba entina miaron-tena araka ny nandidian'I Allah ny amin'izany; Ny habokana dia aretina manimba ny rantsan'ny olombelona.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Takina ny tsy maintsy hananana fitokisana sy fianteherana amin’I Allah, ary manao ireo fomba ara-dalàna.
  2. Takina ny tsy maintsy hinoana ny anjara sy ny lahatr’i Allah, ary eo am-pelatanan’I Allah ny antony rehetra hatanteraka izany, ary Izy no mahatonga izany na manaisotra ny vokany.
  3. Fanafoanana ny finoanoam-poana ataon'ny sasany amin'ny loko, toy ny mainty sy mena, na amin'ny laharana sasantsasany, sy ireo anarana, ireo olona sy ireo manana fahasembanana.
  4. Fandrarana ny fanakakaizana ny boka; tahak'izany koa ny fisitahana ireo olona misy aretina mifindra, izany dia isan'ny fomba mahazatra hoentina hanafoanana ny antom-pifindrany, ka ny fitandremana fotsiny dia tsy ampy, fa Allah kosa dia manaisotra ny heriny raha sitrany ka tsy hisy fiantraikany izany, ary raha sitrany dia tazoniny ary tena mandaitra.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية