1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena

عَنْ سَهْلُ بْنُ سَعْدٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ يَوْمَ خَيْبَرَ:
«لَأُعْطِيَنَّ هَذِهِ الرَّايَةَ غَدًا رَجُلًا يَفْتَحُ اللَّهُ عَلَى يَدَيْهِ، يُحِبُّ اللَّهَ وَرَسُولَهُ وَيُحِبُّهُ اللَّهُ وَرَسُولُهُ»، قَالَ: فَبَاتَ النَّاسُ يَدُوكُونَ لَيْلَتَهُمْ أَيُّهُمْ يُعْطَاهَا، فَلَمَّا أَصْبَحَ النَّاسُ غَدَوْا عَلَى رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كُلُّهُمْ يَرْجُو أَنْ يُعْطَاهَا، فَقَالَ: «أَيْنَ عَلِيُّ بْنُ أَبِي طَالِبٍ؟» فَقِيلَ: هُوَ يَا رَسُولَ اللَّهِ يَشْتَكِي عَيْنَيْهِ، قَالَ: «فَأَرْسِلُوا إِلَيْهِ»، فَأُتِيَ بِهِ فَبَصَقَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي عَيْنَيْهِ وَدَعَا لَهُ، فَبَرَأَ حَتَّى كَأَنْ لَمْ يَكُنْ بِهِ وَجَعٌ، فَأَعْطَاهُ الرَّايَةَ، فَقَالَ عَلِيٌّ: يَا رَسُولَ اللَّهِ، أُقَاتِلُهُمْ حَتَّى يَكُونُوا مِثْلَنَا؟ فَقَالَ: «انْفُذْ عَلَى رِسْلِكَ حَتَّى تَنْزِلَ بِسَاحَتِهِمْ، ثُمَّ ادْعُهُمْ إِلَى الإِسْلاَمِ، وَأَخْبِرْهُمْ بِمَا يَجِبُ عَلَيْهِمْ مِنْ حَقِّ اللَّهِ فِيهِ، فَوَاللَّهِ لَأَنْ يَهْدِيَ اللَّهُ بِكَ رَجُلًا وَاحِدًا، خَيْرٌ لَكَ مِنْ أَنْ يَكُونَ لَكَ حُمْرُ النَّعَمِ».

Tatitra azo avy amin'i Sahl bin Sa'ad (R.A), Niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :
“Homeko an’ny lehilahy iray izay omen’Allah ny fandresena ity faneva ity rahampitso, izay tena mankatia an’Allah sy ny irany, ary tena tian’Allah sy ny irany”, hoy izy : ka natory ny rehetra ary manontany tena hoe iza no hahazo ny faneva, ka rehefa nifoha maraina ireo olona dia nakany amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) ary ny rehetra dia samy naniry ny hotolorana ilay faneva. Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Aiza i Ali bin Abi Toalib? Ka nisy nilaza hoe : Izy, dia manana olana amin'ny masony ry Irak'Allah, dia hoy izy : alefasonareo aty izy, ka noentina teo ary nirorany ny masony sy nivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W) dia sitrana toy ny tsy narary izy, ka nomena azy ny faneva, dia hoy i Ali : Ry irak’Allah! Hiady amin’izy ireo aho mandra-pahatongan’izy ireo ho tahaka antsika? Dia hoy izy : “Tanteraho miadana izay nanirahana anao mandra-pidinanao any amin’ny toerana misy azy ireo, dia asao mba hanaraka ny finoana Islam izy ireo, ary lazao azy ireo ny zavatra takina amin'izy ireo momba ny fananany araka ny zon’Allah ao aminy, fa mianiana amin'Allah aho fa ny fitaritan'Allah ny olona iray noho ianao, dia tsara lavitra ho anao mihoatry ny rameva mena".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 4210

Ny fanazavana

Nampahafantatra an'ireo mpanaradia ny fandresen'ny mpino silamo an'ireo jiosy tao Khaybar ny Mpaminany(S.A.W) ny ampitson'iny, ary izany dia eo am-pelatanan'ny lehilahy iray omeny ny faneva, izany dia ny sainam-pirenena ampiasain'ny tafika ho tarigetrany. Ny toetoetra mampiavaka an'io lehilahy io dia ny fitiavany an'I Allah sy ny irany ary ny fitiavan'I Allah sy ny irany azy. Dia nandany ny aliny ireo mpanara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny firesahana momba ilay homena ny faneva? Noho ny samy naniry izany voninahitra lehibe izany, Nony maraina ny andro, dia nankany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ireo, ary samy nanantena ny hahazo izany voninahitra izany izy rehetra.
Ka nanontany an'i Ali bin Abi Toalib (R.A) ny Mpaminany (S.A.W)?
Ka nisy nilaza taminy hoe : mitaraina marary maso izy.
Ka nasain'ny Mpaminany (S.A.W) noentina teo aminy izy, ka noentin'izy ireo teo anatrehany, ka nororany tamin'ny ivy masiny ny mason'i Ali anakiroa ary nivavahany, ka sitrana soa aman-tsara tamin'ny aretiny toy ny tsy narary, avy eo dia nitolorany ny faneva, ary nodidiany hiroso moramora mandra-panantonany ny toeran'ireo fahavalo ary nasainy hiantso azy ireo amin'ny finoana Islam, ka raha manaiky izy ireo; dia lazao amin'izy ireo ny zavatra nodidian'Allah aminy.
Avy eo dia nazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ny valisoa azo avy amin'ny fiantsoana amin'ny làlan'Allah ary ny mpiantso nampahitsy ny olona iray dia izany no tsara ho azy mihoatry ny fanànany rameva mena izay tena manan-danja amin'ny haren'ireo vahoaka Arabo, ka na ho tazominy na avokany Sadaka.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahamendrehan'Ali bin Abi Toalib (R.A) sy ny fijorona vavolombelona nataon'ny Mpaminany (S.A.W) azy, amin'ny fitiavan'i Allah sy ny irany azy, ary ny fitiavany an'I Allah sy ny irany.
  2. fahazotoan'ireo mpanaradia amin'ny hatsarana sy ny fifaninanan'izy ireo amin'izany.
  3. Ny maha-ara-dalàna ny fahalalam-pomba rehefa miady ary fialana amin'ny fanelingelenana sy ny feo mitabataba izay tsy ilaina akory.
  4. Anisan'ny porofon'ny faminanian'ny Mpaminany (S.A.W) ny filazany vaovao momba ny fandresena ny Jiosy, sy ny fanasitranany ny mason'i Ali bin Abi Talib noho ny fitahian'Allah.
  5. Ny tanjona lehibe indrindra amin'ny ady masina dia ny fidiran'ny olona amin'ny finoana Islam.
  6. Atao amin'ny ambaratongany ny fiantsoana olona ho amin'ny finoana Islam amin'ny alàlan'ny fanononana ireo Shahada roa, ary avy eo dia asaina manatanteraka ireo adidy amin'ny finoana Islam aorian'izany.
  7. Ny valisoan’ny antso ho amin’ny finoana Islam sy ny tombotsoa entin’izany ho an’izay nantsoina sy ny niantso, ka ny tarihina nanaraka làlana mahitsy ary ilay mpiantso dia hahazo valisoa lehibe.

Fanehona ny dikanteny

57 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية