1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”

عن ابن عباس رضي الله عنهما
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِيمَا يَرْوِي عَنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ قَالَ: قَالَ: «إِنَّ اللهَ كَتَبَ الْحَسَنَاتِ وَالسَّيِّئَاتِ، ثُمَّ بَيَّنَ ذَلِكَ، فَمَنْ هَمَّ بِحَسَنَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، فَإِنْ هُوَ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ عَشْرَ حَسَنَاتٍ إِلَى سَبْعِمِائَةِ ضِعْفٍ، إِلَى أَضْعَافٍ كَثِيرَةٍ، وَمَنْ هَمَّ بِسَيِّئَةٍ فَلَمْ يَعْمَلْهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ عِنْدَهُ حَسَنَةً كَامِلَةً، فَإِنْ هُوَ هَمَّ بِهَا فَعَمِلَهَا كَتَبَهَا اللهُ لَهُ سَيِّئَةً وَاحِدَةً».

Tatitra azo avy tamin'i ibn A'bbàs (R.A) niteny hoe :
Arakan’ny nilazain’ny Mpaminany (S.A.W), momba ny zavatra notantarainy tamin'ny fahefan'ny Tompony, ilay avo Tsitoha, dia Nilaza izy ka nanao hoe : "Eny tokoa, fa i Tompo Allah dia nanoratra ny Asa tsara sy ny Asa ratsy, ary avy eo dia nazavainy avokoa izany. , ka na iza na iza mikasa ny hanao Asa soa nefa raha tsy nahavita nanao izany Izy, dia lasa efa nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa tanteraka izany, fa raha nikasa hanao izany Izy, dia nosoratan’i Tompo Allah ho Asa soa folo izany, ka hatramin’ny Fito in-jato, na im-betsaka, ary na iza na iza mikasa ny hanao ratsy nefa tsy nanao izany, dia hosoratan’i Tompo Allah ho Asa tsara tanteraka izany ary nosoratany ho Asa ratsy iray ho Azy izany .”

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6491

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia namaritra ny hatsarana sy haratsiana avy eo nanazava tamin'ireo anjely roa ny fomba hanoratana azy ireo :
Koa izay mikasa sy manapa-kevitra ny hanao asa soa, dia hosoratana mahazo valisoa iray, na dia tsy manao izany aza izy, fa raha nanao izany dia hampitomboina folo avo heny izany, na ho fiton-jato na ho maro mihoatra izany, ary ny fitomboana dia araka ny finiavana madio ao am-po mihoatra ny tombontsoa, ​​sy ny sisa.
Ary izay maniry sy mikasa ary manapa-kevitra ny hanao asa ratsy, avy eo mamela izany noho ny Tompo Allah, dia hosoratana asa soa iray, ary raha namela izany amin'ny tsy antony dia tsy hisy voarakitra an-tsoratra ho azy, ary raha miala amin’ny tsy fahafahany manao izany Izy, dia hosoratana araky ny fikasany, ary raha manao izany izy, dia asa ratsy iray no hosoratana ho azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny fahasoavan’Allah lehibe amin’ity vahoaka ity amin’ny fampitomboana ny asa soa sy ny fanoratana izany ho azy, ary ny tsy fampitomboana ny asa ratsy.
  2. Ny maha-zava-dehibe ny fikasana amin'ny asa sy ny fiantraikany
  3. Ny fahasoavana sy ny fahatsorana ary ny hatsaram-panahin’i Allah ilay avo Tsitoha dia ny hoe : Izay mikasa ny hanao asa tsara nefa tsy manao izany dia raisin’Allah ho asa soa izany.

Fanehona ny dikanteny

69 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو