1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah

عَنْ أَبِي ذَرٍّ رضي الله عنه:
أَنَّ نَاسًا مِنْ أَصْحَابِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالُوا لِلنَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: يَا رَسُولَ اللهِ، ذَهَبَ أَهْلُ الدُّثُورِ بِالْأُجُورِ، يُصَلُّونَ كَمَا نُصَلِّي، وَيَصُومُونَ كَمَا نَصُومُ، وَيَتَصَدَّقُونَ بِفُضُولِ أَمْوَالِهِمْ، قَالَ: «أَوَلَيْسَ قَدْ جَعَلَ اللهُ لَكُمْ مَا تَصَّدَّقُونَ؟ إِنَّ بِكُلِّ تَسْبِيحَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَكْبِيرَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَحْمِيدَةٍ صَدَقَةً، وَكُلِّ تَهْلِيلَةٍ صَدَقَةً، وَأَمْرٌ بِالْمَعْرُوفِ صَدَقَةٌ، وَنَهْيٌ عَنْ مُنْكَرٍ صَدَقَةٌ، وَفِي بُضْعِ أَحَدِكُمْ صَدَقَةٌ»، قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، أَيَأتِي أَحَدُنَا شَهْوَتَهُ وَيَكُونُ لَهُ فِيهَا أَجْرٌ؟ قَالَ: «أَرَأَيْتُمْ لَوْ وَضَعَهَا فِي حَرَامٍ أَكَانَ عَلَيْهِ فِيهَا وِزْرٌ؟ فَكَذَلِكَ إِذَا وَضَعَهَا فِي الْحَلَالِ كَانَ لَهُ أَجْرٌ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo zarri (R.A) :
Hoy Abo Zarr (RA) ihany koa hoe : Nisy andian'olona tamin'ireo mpanara-dian'ny Irak'I Allah (SAW) no niteny taminy nanao hoe : Ry Irak'I Allah! Lasan'ireo mpanan-karena daholo ny valisoa; satria manao Swalat tahaka anay manao Swalat izy ireo, ary mifehy ohatra anay mifehy, saingy mbola mamoaka Swadakah amin'ny ambin-karenany koa izy ireo. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy efa nomen'I Allah zavatra ahafahanareo mamoaka Swadakah koa va ianareo? Ny Tasbiih (fitenenana Sobhaanallaah) dia Swadakah avokoa, ny Takbiir (fitenenana Allaaho akbaro) dia Swadakah avokoa, ny Tahmiid (fitenenana Alhamdolillaah) dia Swadakah avokoa, ny Tahliil (fitenenana Laa ilaaha illal-llaaho) dia Swadakah avokoa, ary fanirahana amin'ny tsara dia Swadakah, fandrarana amin'ny ratsy dia Swadakah, ary ny firaisana ara-nofo amin'ny vady dia Swadakah". Dia hoy izy ireo hoe : Raha manatanteraka ny filam-batany (miaraka amin'ny vadiny) ve ny anankiray aminay dia ahazoany valisoa izany? Dia hoy izy hoe : Hitanareo! Raha nataony amin'ny làlana fady izany, tsy mahazo fahotana ve izy? Toraka izany ihany koa, raha ataony amin'ny làlana mety, dia ahazoany valisoa".

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1006

Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradia mahantra momba ny toe-piainany sy ny fahantrany, ary ny tsy fananan'izy ireo fahefana mamoaka Swadakat mba hahazoana ny valisoa be toy ny rahalahiny izay manan-karena, satria manao asa soa toa azy ireo. Izany hoe mivavaka toy ny azy ireo, ary mifady hanina tahaky ny ataontsika mifady hanina, ary mamoaka fanomezana amin'ny ambim-bolany, fa isika kosa tsy mba manao swadaka! Notarihin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'izay azony omena amin'ny swadaka izy ireo, ka hoy izy : Tsy efa nomen'Allah anareo ve izay atolotrareo ho swadaka ho an'ny tenanareo?! Satria ny filazanareo hoe : (Soubhanallah - Voninahitra ho an'Allah) dia efa valisoa amin'ny Swadakat, ary toy izany koa ny filazana hoe : (Allahou Akbar - Allah no lehibe indrindra) dia swadaka, ary ny filazana hoe : (Alhamdoulillahi - fisaorana anie an'Allah) dia Swadaka, ary ny filazana hoe : (Lailaha Illallahou - Tsy misy tompo afa-tsy Allah) dia Swadakat, ary (famporoisihana amin'ny fanaovana tsara) dia Swadaka, ary (mandrara amin'ny ratsy) dia Swadaka, ary na dia manao firaisana amin’ny vadiny aza ny iray aminareo, dia Swadakat. Talanjona izy ireo ka niteny hoe : Ry irak'Allah ô, afaka manatanteraka ny faniriany ve ny iray aminay ka mahazo valisoa amin'izany?! Namaly izy : tsy hitanareo ve fa raha nampiasa izany tamin’ny zavatra voarara izy tamin’ny fijangajangana na zavatra hafa, dia ho meloka izy? Toy izany koa, raha mametraka izany amin'ny zavatra ara-dalàna izy, dia hahazo valisoa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Nifaninana hanao asa soa ny mpanaradia, ary ny fahavononana hahazo valisoa lehibe sy fankasitrahana avy amin’I Allah Tsitoha.
  2. Misy karazany maro ny asa soa, ary tafiditra ao anatin'izany ny asa rehetra ataon'ny silamo amin'ny finiavana sy fikasana tsara.
  3. Ny fahamoran'ny finoana silamo, ka ny mpino silamo rehetra dia mahita zavatra atao mba hankato an'I Allah.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Amin'ity Hadith ity dia misy Porofo fa ny zavatra azo atao dia lasa fankatoavana amin’ny finiavana amin-kitsim-po, raha mikasa ny hanatanteraka ny zon’ny vadiny sy hifanerasera amin’ny vadiny amin’ny fomba ara-drariny izay nandidian’I Allah Tsitoha azy, na mitady zaza hendry, na ny fitazonana ny fahadiovany na ny fitazonana ny fahadiovan’ny vadiny ka manakana azy roa tsy hijery zavatra voarara, na mieritreritra an’izany, na aingam-panahy avy amin’izany, na fikasana tsara hafa.
  5. Fametrahana ohatra sy fanoharana; Mba hanazavana kokoa tamin'ny mpihaino.

Fanehona ny dikanteny

59 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو