عن أبي هريرة رضي الله عنه
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فِيمَا يَحْكِي عَنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ، قَالَ: «أَذْنَبَ عَبْدٌ ذَنْبًا، فَقَالَ: اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: أَذْنَبَ عَبْدِي ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، ثُمَّ عَادَ فَأَذْنَبَ، فَقَالَ: أَيْ رَبِّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: عَبْدِي أَذْنَبَ ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، ثُمَّ عَادَ فَأَذْنَبَ، فَقَالَ: أَيْ رَبِّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: أَذْنَبَ عَبْدِي ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، اعْمَلْ مَا شِئْتَ فَقَدْ غَفَرْتُ لَكَ».

Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA)
Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2758

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.A.W), dia mitantara avy amin'ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka miteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, dia miteny i Allah ilay avo Tsitoha manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka saronany sy fafany izany, na koa mety manasazy azy, dia namela Azy Aho. Ka niverina nanota indray ilay mpanompo ka niteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy i Tompo Allah manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala fa manana Tompo Mpamela ny heloka, ka dia ho saronany na hofafany na manasazy azy, dia namela ny heloka ny mpanompoko Aho. Ka mbola niverina nanota indray ilay Andevo dia Niteny ka nanao hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, ka hoy i Tompo Allah ilay avo Tsitoha : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka dia manarona izany Izy ka tsy mamafa izany, na manasazy Azy, dia namela ny heloka ny Mpanompoko Aho. Avelako Izy hanao izay tiany, raha mbola manao ota isaky ny miala amin'ny fahotana izy, manenina, ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany intsony, fa ny tenany no mandresy Azy ka latsaka amin'ny fahotana indray Izao, dia manota Izy ka mibebaka, dia havelako ny helony, fa ny fibebahana dia mandrava izay teo alohany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny halehiben’ny famindrampon’i Tompo Allah amin’ny Mpanompony, ary na inona na inona fahotana na ataon’ny Olona iray, raha mibebaka Aminy sy mitodika Aminy Izy, dia hibebaka Aminy i Tompo Allah.
  2. Ny Mpino an’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia manantena ny famelan-keloka avy amin’ny Tompony, ary matahotra ny famaizana avy Aminy, ka dia mibebaka faingana Izy ka tsy manohy ny ota intsony.
  3. Fepetra ahafahana mibebaka marina : mifady sy mamela ny Ota, manenina amin'izany ary manapa-kevitra ny tsy hiverina amin'ny Ota izany intsony. Raha ny fibebahana dia avy amin'ny tsy rariny amin'ny Olona amin'ny resaka vola, voninahitra, na fanahy, dia asiana fepetra faha-efatra, dia ny hoe : fialana amin' ny Zon’ny Olona manan-jo, na mamerina Aminy ny Zony.
  4. Ny maha zava-dehibe ny fahalalana momba ny tompo Allah, izay mampahalala ny mpanompo hahafantatra momba ny finoany, ka hibebaka isaky ny manota, ka tsy kivy sy miavarolavo.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
AK Akan الأكانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
RN Kirundi الكيروندي
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية