عَنْ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ بُسْرٍ رَضِيَ اللَّهِ عَنْهُ قَالَ: أَتَى النَّبِيَّ رَجُلٌ، فَقَالَ: يَا رَسُولَ اللَّهِ! إِنَّ شَرَائِعَ الإِسْلَامِ قَدْ كَثُرَتْ عَلَيْنَا، فَبَابٌ نَتَمَسَّكُ بِهِ جَامِعٌ؟ قَالَ:
«لاَ يَزَالُ لِسَانُكَ رَطْبًا مِنْ ذِكْرِ اللَّهِ». وفي رواية: مِنْ حَدِيثِ مُعَاذِ بْنِ جَبَلٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ: آخِرُ مَا فَارَقْتُ عَلَيْهِ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ أَنْ قُلْتُ: أَيُّ الأَعْمَالِ خَيْرٌ وَأَقْرَبُ إِلَى اللَّهِ؟ قَالَ: «أَنْ تَمُوتَ وَلِسَانُكَ رَطْبٌ مِنْ ذِكْرِ اللَّهِ عَزَّ وَجَلَّ».

Tatitra azo avy amin'i Abdullah Ibn Bosra (R.A) niteny : Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany ka niteny hoe : Ry Irakan'i Tompo Allah ô ! Lasa maro loatra Amintsika ny lalàn'ny finoana silamo, ka misy zavatra azo atao ve hifikirana Aminy ? Hoy Izy :
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao ". Ao amin'ny fitantarana hafa : avy amin'ny Hadith nataon'i Moadhe Ibn Jabal (R.A) : Ny zavatra farany nataoko taorian'ny nandaozako ny Irakan'i Tompo Allah dia ny fitenenako hoe : Inona no asa tsara indrindra sy akaiky an'i Tompo Allah ? Namaly Izy ka nanao hoe : “ Ny hahafatesanao raha mando ny lelanao amin’ny fahatsiarovana an’i Tompo Allah ”.

Mari-pototra رواه أحمد والترمذي وابن ماجه وابن حبان الأربعون النووية - 50

Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny lehilahy iray fa ny fanompoam-pivavahana an-tsitrapo dia nitombo loatra ka tsy afaka nanao izany noho ny fahalemeny izy, avy eo nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) mba hitarika azy ho any amin'ny asa tsotra izay hitondra valisoa lehibe ho azy izay hifikirany sy hazoiny tsara.
Koa nitari-dàlana azy ny Mpaminany (S.A.W) mba hihazona ny lelany malefaka sy mihetsika amin'ny fahahatsiarovana matetika an’I Allah amin’ny fotoana sy ny toe-javatra rehetra. Toy ny fiderana, fisaorana, fitadiavana famelan-keloka, fitalahoana, sy ny hafa ankoatr'izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny hasin'ny fahatsiarovana tsy tapaka an'I Allah ilay Tsitoha.
  2. Iray amin’ireo fahasoavana lehibe avy amin’I Allah ny fanamorana ny fomba hahazoana valisoa.
  3. Samihafa ny olona amin'ny anjarany eo amin'ny lafiny fahamendrehena sy ny fahatsarana.
  4. Ny fahatsiarovana an’I Allah matetika amin’ny lela, ny fiderana, ny fisaorana, ny fanokanana, ny fanomezam-boninahitra, sy ny sisa, miaraka amin’ny fo mirindra, dia maka ny toeran’ny asa fankatoavana an-tsitrapo maro.
  5. Fitsinjovan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanontany azy tamin’ny famaliana ny tsirairay araka izay sahaza azy.

Fanehona ny dikanteny

56 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو