1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy

عن أبي سعيد الخدري رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«لَا ضَرَرَ وَلَا ضِرَارَ، مَنْ ضَارَّ ضَرَّهُ اللَّهُ، وَمَنْ شَاقَّ شَقَّ اللَّهُ عَلَيْهِ».

Tatitra azo avy tamin'i Saiid Al-Khoudriou, niteny i Mpaminany (S.A.W) :
" Tsy misy fanaovan-dratsy sy hanaovana ratsy, izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy ihany koa, ary izay manasarotra dia ankasarotin'Allah ihany koa ny zava-drehetra aminy."

Marina miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'i Al-Dàrakotni Sonan Ad-Dàrakotnì - 3079

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa tena ilaina tokoa ny misoroka ireo loza miseho amin'ny endrika maro samihafa na eo amin'ny fisehoany avy amin'ny tena na avy amin'ny hafa, ary tsy azo atao ny manisy ratsy ny tenany na ny hafa.
Tsy azo atao ny mamaly ny ratsy amin'ny ratsy hafa ihany koa. Satria ny ratsy dia tsy afaka amin'ny ratsy iray, raha tsy amin’ny alalan’ny valifaty izay tsy hatao amin'ny endrika mihoam-pefy na amin'ny fandikan-dalàna.
Avy eo i Mpaminany (S.A.W) nanazava ilay fandrahonana amin'ny loza ho an'ireo izay manisy ratsy ny Olona, ​​ary fahazoana fahasahiranana ho an'ireo izay manasarotra ho an'ny Olona.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fanomezana famaliana mihoatra ny mitovy aminy.
  2. Tompo Allah dia tsy nandidy ny mpanompony hanao izay mety hanimba azy ireo.
  3. Fandrarana ny fanimbana sy ny fandratrana amin'ny teny, na amin'ny asa, na amin'ny fandaozana.
  4. Ny valisoa dia mitovy tantana amin'ny asa izay natao, ka izay manisy ratsy dia i Allah no hanisy ratsy azy ihany koa, ary izay mampahory ny hafa dia i Allah no hampahory azy.
  5. Iray amin'ireo fitsipiky ny lalàna Sharia ny hoe : “Esorina ny loza” sy izay rehetra nahitana vokadratsy satria ny lalàna Sharia amin'ny finoana Islam dia tsy mankasitraka ny fisian'ny loza sy ny zava-dratsy, fa mandà mandrakariva ny fampidiran-doza.

Fanehona ny dikanteny

68 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
EL Ελληνικά اليونانية
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو