1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba

Hadith Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo

عن أبي أيوب رضي الله عنه عن النبي صلى الله عليه وسلم قال:
«مَنْ قَالَ: لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ وَحْدَهُ لَا شَرِيكَ لَهُ، لَهُ الْمُلْكُ وَلَهُ الْحَمْدُ وَهُوَ عَلَى كُلِّ شَيْءٍ قَدِيرٌ، عَشْرَ مِرَارٍ كَانَ كَمَنْ أَعْتَقَ أَرْبَعَةَ أَنْفُسٍ مِنْ وَلَدِ إِسْمَاعِيلَ».

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ayòb (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Izay niteny : Là ilàha illal-loàho wahadahòu là Sharìka-laho, lahol-molkou wa lahol-hamdo wa howa an’là kolly Shayin-qadìr, Tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa, ary Azy ny fahefana, Azy ny dera, ary Izy no mahefa amin’ny zavatra rehetra”, im-polo, dia toy ny nanafaka olona efatra amin'ny taranak'i Ismael".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2693

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa izay niteny ny teny hoe : " Là ilàha illal-loàho Wahdahò là Sharìka-lahou lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìro," izay midika hoe : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa aminy, ary Izy dia Ilay manana ny fanapahan-kevitra tanteraka, ary mendrika ny hoderaina sy omem-boninahitra amim-pitiavana sy hajaina ka tsy misy ankoatra azy, ary Izy no Mahery Indrindra ary tsy ny misy tsy vitany. Na izay mamerina izany fahatsiarovana lehibe (Zikri) izany im-polo isan’andro; dia hahazo valisoa mitovy amin’ny tambin’izay nanala ny fanandevozana tamin’ireo andevo efatra tamin’ny taranak’i Ismail bin Ibrahim izy, ary ny taranak’i Ismaela no nisafidiany satria manan-kaja kokoa noho ny hafa izy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fahasoavana sy hasin’izany fahatsiarovana izany dia ahitana ny fanavahana an’Allah ilay Tsitoha amin’ny maha-tompo azy, ny fanapahan-kevitra sy ny fiderana ary ny hery feno.
  2. Hahazo valisoa amin'ity fiderana ity izay miteny izany mifampitohy na koa misara-tsaraka.

Fanehona ny dikanteny

65 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
LN Lingala اللينجالا
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية