1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤْمنينَ رَضيَ اللهُ عنها قَالَت:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا أَتَى الْمَرِيضَ يَدْعُو لَهُ قَالَ: «أَذْهِبِ الْبَاسَ، رَبَّ النَّاسِ، وَاشْفِ أَنْتَ الشَّافِي، لَا شِفَاءَ إِلَّا شِفَاؤُكَ، شِفَاءً لَا يُغَادِرُ سَقَمًا».

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Moslim - 2191

Ny fanazavana

Isaky ny mitsidika olona marary ny Mpaminany (S.A.W), dia mivavaka ho azy ary miteny hoe : Allah ô, (Apandehano) ary esory (ny fahoriana) sy ny hamafin'ny aretina, (Tompon'ny olombelona) sy ny Mpamorona ary ny mpitaiza azy, (ary sitrano) ity marary ity (Ianao), Voninahitra anie ho Anao (Mpanasitrana), ary mitalaho Aminao amin'ny anaranao mpanasitrana aho, (Tsy misy fanafodiny) izay mety hitranga amin'ny marary (afa-tsy ny fahasitrananao) sy ny fahasalamanao, (Fanasitranana) feno tanteraka (tsy miala) ary mijanona ary miala (aretina) ary aretina hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny mpanasitrana dia Allah Tsitoha, fa ny mpitsabo sy ny fanafody dia fitaovana tsy mahasoa na manimba raha tsy mahazo alàlana avy amin’I Allah.
  2. Anisan’ny zo eo amin’ny samy mpino silamo ny mitsidika ny marary, ary mendrika kokoa ho an’ny fianakaviana izany.
  3. Mamporisika ireo izay mamangy ny marary hivavaka ho azy amin’io fitalahoana izay feno tso-drano sy malaza izao.
  4. Anisan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W), ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny rokyah ara-dalàna amin'ny fampiasana ny kor'any sy ny Doan tsara, ary nanao rokyah koa izy ho an’ireo izay nitaraina tamin’ny fianakaviany sy ny hafa.
  5. Hoy I Ibn Hajar : Ny Doan mba hanasitrana ny marary dia lasa olana amin'ny fanafoanana ny ota sy ny valisoa ho an'ny aretina, satria ny hadith dia mitambatra amin'izany, ny valiny : ny Doan dia fanompoana, ary tsy mifanohitra amin'ny valisoa famafana fahotana. Satria azo amin'ny aretina voalohany sy amin'ny faharetana izany, ary eo anelanelan'ny asa soa roa ilay mivavaka : na mahatratra ny tanjony izy, na manonitra izany amin'ny alàlan'ny fanomezana tombontsoa na manala ny loza, ary samy avy amin'ny fahasoavan’I Allah Tsitoha.

Fanehona ny dikanteny

44 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
MOS Moore الموري
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية