1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith “Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy

عن عمران بن حصين رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«‌لَيْسَ ‌مِنَّا ‌مَنْ ‌تَطَيَّرَ أَوْ تُطُيِّرَ لَهُ، أَوْ تَكَهَّنَ أَوْ تُكُهِّنَ لَهُ، أَوْ سَحَرَ أَوْ سُحِرَ لَهُ، وَمَنْ عَقَدَ عُقْدَةً، وَمَنْ أَتَى كَاهِنًا فَصَدَّقَهُ بِمَا يَقُولُ فَقَدْ كَفَرَ بِمَا أُنْزِلَ عَلَى مُحَمَّدٍ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ».

Tatitra azo avy tamin'i Houssain (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) :
“Tsy anisany miaraka aminay iza manao sikidy, na nampanao sikidy ho azy, na izay nanombantombana tamin'ny fizahana na nanao izany ho azy, izay nanao ody na nampanao izany ho azy, ary izay nanao fatotra ary nandeha amin'ny mpamantatra ny hoavy ka mino izay lazainy, dia efa nikomy ny zavatra nampidinina tamin'i Mouhammad (S.A.W)".

Tsara Notantarain'i Al-Bazzàr Mosnad Al-Bazzàr - 3578

Ny fanazavana

Nampitandrina ireo vahoakany mpanao zavatra hafahafa i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny manao hoe : "Tsy anisany miaraka aminay", Ireto avy izany :
Ny voalohany : “Izay nisikidy na izay nampanao sikidy ho azy.” Ny fiaviany dia ny hoe : Mamoaka ny vorona rehefa manao hetsika toy ny dia na varotra, na zavatra hafa. Ka raha manidina miankavanana ilay vorona dia mandeha manao ny diany sy izay tiany izy, ary raha manidina miankavia izany dia kivy ka mijanona tsy manao izany. Tsy azony atao izany na koa maniraka olona hanao izany. Ary tafiditra ao anatin’izany ny finoam-poana momba ny zavatra rehetra, toy ny finoan-dratsy amin'ny zavatra heno sy hita, amin'ireo vorona na biby na ireny mampino fahatany na ireny mampiasa isa na andro na ankoatr'izany.
Ny faharoa : “Izay maminany, na manontany faminaniana ho azy.” Ary izay milaza fa mahalala ny tsy hita maso amin’ny alàlan’ny fampiasana ny kintana sy ny zavatra hafa, na manatona ireo milaza fa mahalala ny tsy hita maso, toy ny mpisikidy sy ny toy izany, ka mino izay lazainy tamin’ny filazany fa mahalala ny miafina dia efa nikomy izay nampidinina tamin’i Mouhammad (S.A.W).
Ny fahatelo : “Manao ody na mampiasa ody ho azy” : Izay manao ody ny tenany, na maniraka olona hanao ody ho azy; mba hahazoany tombony na hanimba ny fiainan'olona amin'izany, na mamatotra fatotra amin'ny kofehy ary manao ody amin'ny alàlan'ny famakina ireo fiarovan-tena voarara sy ny fitsofana azy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Vodidy ny fitokisana an'ny Tompo Allah ary finoana ny lahatr'i Allah sy ny fandaharany, ary fandrarana amin'ny finoanoam-poana sy ny finoana ratsy, ny sikidy, famosavina ary ny fanontaniana azy ireo.
  2. Filazana ny fahafantarana ny zava-miafina dia fanompoan-tsampy izay mifanohitra sy mamotika ny fanokanana an'i Allah.
  3. Voarara ny mino ireo mpisikidy sy manatona azy, ary tafiditra amin'izany ny famakiana ny tànana sy ny ireny vintana ary ny tonin'andro, eny fa na dia mba hahazoana fanazavana fotsiny aza.

Fanehona ny dikanteny

64 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
YAO Yao الياو
KMR Kurmancî الكرمنجية