1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat

عن ابن عباس رضي الله عنهما قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«ما مِنْ أيَّامٍ العمَلُ الصَّالِحُ فيها أحبُّ إلى اللهِ مِن هذه الأيام» يعني أيامَ العشر، قالوا: يا رسُولَ الله، ولا الجهادُ في سبيلِ الله؟ قال: «ولا الجهادُ في سبيلِ الله، إلا رجلٌ خَرَجَ بنفسِه ومالِه فلم يَرْجِعْ من ذلك بشيءٍ».

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".

Mari-pototra Notantarain'i Al-Bokhari sy Abo Daòdd, ary azy ny rafiteny Sonan Abo Daòd - 2438

Ny fanazavana

Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny asa soa amin'ny folo andro voalohany amin'ny volana Zhol-hijja no tsara indrindra mihoatra ny asa soa atao amin'ny andro rehetra amin'ny taona iray.
Ary nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpiara-diany mahakasika ny ady masina amin'ny fotoana hafa ankoatra ireo folo andro ireo, moave tsara sa ny asa soa atao amin'ny andro folo ireo? Nefa fantatra fa ny ady masina no asa mendrika indrindra amin'ny Islam.
Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Ny asa soa atao amin'ny folo andro voalohany ireo no asa tsara indrindra mihoatra ny ady masina amin'ny andro hafa, afa-tsy hoe lehilahy iray izay nivoaka nanao ady masina niaraka amin'ny tenany sy harenany amin'ny làlan'ny tompo Allah, ka tsy misy tafaverina ny harenany ary niala ny fofonainany amin'ny làlan'i Allah. Fa izay ihany no asa soa mendrika sy lehibe mihoatra ny asa soa atao amin'ity folo andro voalohany ity.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fahasoavan'ny asa soa amin'ny folo andro voalohany Zhol-hijja, ka tokony amin'ny mpino silamo tsirairay ny manararoatra amin'ireo andro ireo ary manabetsaka ny fankatoavana ny tompo, amin'ny fahatsiarovana Azy, sy ny famakiana ny boky masina Koroany, fanaovana Takbir sy Tahlily sy Tahmìd, ary ny Soalat sy fanomezana Soadakat ary ny fifadian-kanina sy ny asa soa rehetra.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
FF Fulfulde Folianina
IT Italiano Italianina
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية