1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny foto-pinoana

Hadith Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «إِنَّ اللَّهَ قَالَ: مَنْ عَادَى لِي وَلِيًّا فَقَدْ آذَنْتُهُ بِالحَرْبِ، وَمَا تَقَرَّبَ إِلَيَّ عَبْدِي بِشَيْءٍ أَحَبَّ إِلَيَّ مِمَّا افْتَرَضْتُ عَلَيْهِ، وَمَا يَزَالُ عَبْدِي يَتَقَرَّبُ إِلَيَّ بِالنَّوَافِلِ حَتَّى أُحِبَّهُ، فَإِذَا أَحْبَبْتُهُ: كُنْتُ سَمْعَهُ الَّذِي يَسْمَعُ بِهِ، وَبَصَرَهُ الَّذِي يُبْصِرُ بِهِ، وَيَدَهُ الَّتِي يَبْطِشُ بِهَا، وَرِجْلَهُ الَّتِي يَمْشِي بِهَا، وَإِنْ سَأَلَنِي لَأُعْطِيَنَّهُ، وَلَئِنِ اسْتَعَاذَنِي لَأُعِيذَنَّهُ، وَمَا تَرَدَّدْتُ عَنْ شَيْءٍ أَنَا فَاعِلُهُ تَرَدُّدِي عَنْ نَفْسِ المُؤْمِنِ، يَكْرَهُ المَوْتَ وَأَنَا أَكْرَهُ مَسَاءَتَهُ».

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny izy :
Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) : Niteny i Allah : Izay olona nifahavalo amin'olon-tiako dia efa niantso ady aminy Aho, ny zavatra izay farany tiako tanterahin'ny mpanompoko mba hanantonany ahy dia ireo zavatra nataoko didy aminy, ary tsy mitsahatra manantona ahy ny mpanompoko amin'ny alàlan'ny fanatanterahany ny fanompoana fanampiny mandrapaha hitiavako azy, rehefa mitia azy Aho dia Izaho no miaro azy : amin'ny sofiny izay hiainoany, sy ny masony izay ahitany, sy ny tànany izay hikapoany, ary ny tongony izay hamindrany, ka omeko izy raha toa ka mangataka amiko, ary Arovako raha mitady fiarovana amiko, tsy nisalasala na oviana na oviana aho tamin’izay ataoko tahaka ny fisalasalako amin’ny fanahin’ny mpino, izay mankahala ny fahafatesana, ary halako ny mikasika izany".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari Sahìh Al-Bokhari - 6502

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ny Hadith Qodsì fa niteny i Allah Ilay Tsitoha nilaza manao hoe : Izay manisy ratsy ny iray amin’ny sakaizako, na manao zavatra mahatezitra azy, na mankahala azy, dia mampahafantatra azy sy manambara azy Aho fa fahavaloko izy.
Ny sakaizan'Allah dia : Ny mpino matahotra, ary arakaraka ny halehiben’ny finoana sy ny fatahoarana ananan’ilay mpanompo, dia tahaka izany koa ny anjarany eo amin'ny maha sakaizan’Allah. Ny mpino silamo dia manatona akaiky ny Tompony amin'ny zavatra tiany kokoa amin'ny zavatra nandidiany azy, toy ny fankatoavana sy ny fialana amin'ny zavatra voarara, ary tsy mitsahatra ny mpino silamo manakaiky ny Tompony amin'ny alàlan'ny asa fanompoana an-tsitrapo sy ny vavaka tsy maintsy atao, mandrampahazoany fitiavan’Allah. Rahefa tia azy Allah dia hanampy azy amin’ireto lafiny ratsam-batana efatra ireto :
Tarihiny ny fihenony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no henony,
Tarihiny ny ny fijeriny, ka izay tian’Allah sy ankasitrahany ihany no jereny.
Arovany ny tanany, ka tsy manao na inona na inona amin’ny tanany izy afa-tsy izay sitrak’Allah.
Arovany ny tongony, ka izay ankasitrahan’Allah ihany no alehany, ary ny soa ihany no tadiaviny.
Eo anilan'izany koa, raha mangataka zavatra amin’Allah izy, dia homen’Allah izay nangatahiny, ary hamaly ny antsony Izy, ary raha mitady fialofana amin’Allah izy, dia hiaro azy amin’izay atahorany Allah.
Dia hoy Allah ilay Tsitoha : Tsy nisalasala aho na inona na inona amin'ny zavatra ataoko tahaka ny tsy fisalasalako hanala ny fanahin’ny mpino noho ny famindram-po aminy, satria halany ny fahafatesana noho ny fanaintainana aterak’izany, ary halan’Allah ny mamparary ny mpino.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ity Hadith notaterin'ny Mpaminany (S.A.W) ity dia avy amin'ny Tompony, izay antsoina hoe hadith Qodosÿ na hadith-n'Allah, izay samy avy amin'Allah daholo ny teny sy ny heviny, fa izy fotsiny tsy manana ireo zavatra mampiavaka ny Kor'any amin'ny hafa, toy ny fanompoam-pivavahana amin'ny àlan'ny famakiana azy, sy ny fahadiovana raha hamaky azy, ny fanamby ananany, ny fahagagana, sy ankoatra izany
  2. Fandrarana ny fanaovan-dratsy amin'ireo sakaizan’Allah sy ny famporosina ho tia azy ireny, sy hanaiky ny fahamendrehana ananany.
  3. Ny didy hifahavalona amin'ireo fahavalon’Allah sy fandrarana amin'ny fitiavana azy ireny.
  4. Na iza na iza milaza ho sakaizan'Allah nefa tsy manaraka ny lalàny dia mandainga amin’ny filazany.
  5. Ny maha sakaizan'Allah dia azo amin’ny fanatanterahana didy tsy maintsy atao sy ny fialana amin’ny zavatra voarara.
  6. Anisan'ny porofo manambara ny fitiavan'Allah ny mpanompo iray ny famaliany ny antsony, amin'ny fanatanterahana ny vavaka fanampiny aorian'ny fanatanterahany ny fanompoana tsy maintsy atao sy ny famelany ireo zavatra voarara.
  7. Porofo manondro ny voninahitry ny olo-masina sy ny toerana ambony misy azy ireo.

Fanehona ny dikanteny

63 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ES Español Espana
ID Indonesia Indoneziana
UG ئۇيغۇرچە Aigoria
BN বাংলা Bengaly
FR Français Frantsay
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
JA 日本語 Zapone
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
YO Yorùbá Yorianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
SO Soomaali Somalianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UZ O‘zbek Ozbekianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
DA Dansk الدنماركية
RN Kirundi الكيروندي
KMR Kurmancî الكرمنجية
MS Bahasa Melayu الملايو