1. Pejy fandraisana
  2. Ireo sokajy
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Hadith Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صلى الله عليه وسلم قَالَ:
«إِذَا مَاتَ الْإِنْسَانُ انْقَطَعَ عَنْهُ عَمَلُهُ إِلَّا مِنْ ثَلَاثَةٍ: إِلَّا مِنْ صَدَقَةٍ جَارِيَةٍ، أَوْ عِلْمٍ يُنْتَفَعُ بِهِ، أَوْ وَلَدٍ صَالِحٍ يَدْعُو لَهُ».

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Raha maty ny olona iray, dia tapaka ny asany afa-tsy telo : ny fanomezana mitohy maharitra, ny fahalalana mahasoa, na ny zaza hendry izay mivavaka ho azy."

Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim Sahìh Moslim - 1631

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mitsahatra amin’ny fahafatesany ny asan’ny maty, ka tsy hahazo soa intsony izy aorian’ny fahafatesany raha tsy amin’ireto zavatra telo ireto: Satria izy no anton'izany :
Ny voalohany : fanomezana izay mitohy sy maharitra ny valisoany, tsy misy fahatapahana, toy ny fanolorana masina, ny fananganana moske, ny fihadiana lavadrano, sns.
Ny faharoa : Fahalalana mahasoa ny olona, ​​toy ny fanangonana bokim-pahalalana, na fampianarana ny olona iray, ary avy eo dia mampiely izany fahalalana izany ilay olona aorian’ny fahafatesany.
Fahatelo : Ny zaza mpino mendrika mivavaka ho an’ny ray aman-dreniny.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Niray feo ny manam-pahaizana fa anisan'ny valisoa azon'ny olona iray aorian'ny fahafatesany ny fanomezana mitohy, ny fahalalana mahasoa ary ny fitalahoana, ary voalaza ao amin'ny hadith hafa : ny Hajj ihany koa.
  2. Ireo telo ireo dia voalaza manokana ao amin'ity Hadith ity : Satria izy ireo no fototry ny fahatsarana, ary ny ankamaroan'izay kasain'ny olona mpanao soa ny fametrahana azy ao aorian'ny fahafatesany.
  3. Ny fahalalana mahasoa rehetra dia hahazoana valisoa avokoa, fa lohalaharana amin'izany sy mitari-dàlana azy dia ny fahalalana ara-pinoana sy ny siansa manohana azy.
  4. Ny fahalalana no mahasoa indrindra amin’ireo telo ireo; Satria ny fahalalana dia mahasoa ny olona izay mianatra azy, ao amin'ny fahalalana no miaro ny finoana, ao aminy misy fahasoavana ho an'ny olona amin'ny ankapobeny, ary feno kokoa izany satria mianatra avy tamin'ny fahalalanao ny olona teo amin'ny fahavelomanao sy aorian'ny fahafatesanao.
  5. Famporisihana hitaiza tsara ny zaza; Izy ireo no mitondra soa ho an’ny ray aman-dreniny any ankoatra, ary anisan’ny fahasoavana azo aminy noho izy manao fangatahana ho azy ireo.
  6. Mamporisika ny fanaovan-tsoa amin'ny ray aman-dreny aorian'ny fahafatesany, izay endrika fanajana izay dia mahasoa ny zaza ihany koa.
  7. Mahasoa ny maty ny hataka atao aminy, na dia tsy ny zanany aza no nanao izany, saingy notsiahivina manokana ny zanaka satria araka ny mahazatra dia izy no manohy ny hataka ho an’ilay olona mandra-pahafatiny.

Fanehona ny dikanteny

51 Ny teny
EN English Anglisy
UR اردو Ordo
ID Indonesia Indoneziana
BN বাংলা Bengaly
TR Türkçe Torkia
RU Русский Rosiana
BS Bosanski Bosnia
SI සිංහල Sinhala
HI हिन्दी India
ZH 中文 sinoa
FA فارسی Persiana
VI Tiếng Việt Vietnamiana
TL Tagalog Tagaloga
KU Kurdî Kordia
HA Hausa Hosia
PT Português portogalîa
ML മലയാളം Malayalamia
TE తెలుగు Teljo
SW Kiswahili saohilia
TA தமிழ் Tamily
MY မြန်မာ Birmana
TH ไทย Tailandia
DE Deutsch Alimanina
PS پښتو Pasito
AS অসমীয়া Asamia
SQ Shqip Albany
SV Svenska Soedianina
AM አማርኛ Amharika
NL Nederlands Holandia
GU ગુજરાતી Gojratia
KY Кыргызча Kargaria
NE नेपाली Nepalianina
LT Lietuvių Litoanianina
PRS دری Aldoria
SR Српски serbianina
TG тоҷикӣ Tajakianina
RW Kinyarwanda Keniaroandia
RO Română Romaniana
HU Magyar Hongariana
CS Čeština Tsekianina
MOS Moore الموري
OM Oromoo Oromianina
KN ಕನ್ನಡ Kanadianina
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan Azerianina
UK Українська Okranianina
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية